Mitovy fa tsy sahala amin’ny savorovoro politika nisy teto Madagasikara tamin’ny 1991 ny miseho ankehitriny. Amin’izao fifampidinihana eo amin’i Ravalomanana sy Rajoelina hamahana ny krizy izao (telo andro izay) dia entiko any amin’ny taona 1991 ianareo manohana tsy misy fepetra azy roalahy ireo na izay mamaky ity lahatsoratra ity mba hanaraka ny tantara.


Tantara fohy


Nofoanana ny sivana an-gazety ny 19 Febroary 1989. Lany fanintelony ho Filohan’ny Repoblika Ratsiraka ny 12 Martsa 1989. Nanomboka teo ny fanoheran’ny mpanohitra noho ny filazana fa “hosoka” no nisy. Najoron’ny mpanohitra ny Governemanta Tetezamita ho an’ny Demokrasia (GVTD) ny 12 Aprily 1989 na dia mbola teo aza ny Governemanta ara-dalàna. Ny 19 Aprily 1989, nanao fianianana amin’ny maha Filoha vaovao azy Ratsiraka, ny “Alliance Démocratique” kosa namory olona teny Ankatso. Nanomboka tamin’io daty io ny “grève générale” teny amin’ny Kianja 13 Mey. Ny fahatongavan’ny Papa Joany Paoly faha-2 (28 Aprily 1989) sy ny Prezida Frantsay Fracois Mitterand (14 Jona 1990) teto Madagasikara dia nanokatra fahalalahana teo amin’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Namory indroa miantoana ny Hery Velona  eto amin’ny Firenena ny FFKM ny 16-19 Aogositra 1990 sy ny 5-9 Desambra 1990. Noravan-dRatsiraka ny Governemanta Ramahatra ny 28 Jolay 1991 ka niantso ny mpanohitra izy hanangana ny Governemanta firaisam-pirenena izay hanomana lalam-panorenana sy lalam-pifidianana vaovao ary fifidianana. Tsy nanaiky izany ny “Hery Velona” teo amin’ny Kianja 13 Mey fa ny fialan-dRatsiraka no vaha olana ka dia nanomana ny “Diabe” na ny “Filaharamben’ny Fahafahana” teny Iavoloha ny 10 Aogositra 1991. Tao amin’ny Hotel Panorama ny 29, 30, 31 Oktobra 1991 no nivory ny an-daniny roa dia ny Hery Velona (HV) sy ny Mandatehezana Miaro ny Sosialisma Malagasy (MMSM) natrehin’ny FFKM ka namoaka ny “Convention du 31 Octobre 1991”.


Votoatin’ilay Convention


Mijanona ho Filohan’ny Repoblika Ratsiraka fa noferana ny fahefany
Natsahatra amin’ny asany ny Conseil Suprême de la Révolution (CSR) sy ny Assemblée Nationale Populaire (ANP)
Mijanona ho Praiminisitra Razanamasy fa mandrafitra kosa Governemanta firaisam-pirenena
Notendrena ho Filohan’ny Haute Autorité de l’Etat (HAE) Zafy
Misy mpikambana 31 ny HAE ka avy amin’ny HV sy MMSM ary ny FFKM
Najoro ny Comité pour le Redressement Economique et Social (CRES)
Misy mpikambana 130 ny CRES ka tendren’ny Praiminisitra avy amin’ny tolo-kevitry ny HV sy MMSM ary FFKM
Namboarina ny firafitry ny Haute Cour Constitutionnelle (HCC) ka 4 tendren’ny Filohan’ny Repoblika, 5 tendren’ny HAE, 2 tendren’ny Praiminisitra
Ireo nanao sonia ny Convention dia niantso ny Vahoaka Malagasy rehetra mba ho tony sy hiara-hiezaka hanarenana ny Firenena, hampandrosoana hatrany ny toe-karena, ny fahafahana, ny demokrasia ary ny firaisam-pirenena

Nampiravona ny savorovoro nisy tamin’ny 1991 io Convention io ary inoako fa avy amin’Andriamanitra ihany koa. Am-bava homana am-po mieritreritra.

 

Tsy mahay mandray lesona avy amin’ny tantara isika Malagasy. Indrisy !!

Taona 1972, 1991, 2002, 2009 dia sasatry ny nandrava sy nandrodana ary manangana hatrany isika Malagasy. Tsy mandroso anefa isika amin’izany fa mihemotra foana. Menatra mahita ny fandrosoan’ny toe-karen’ireo Nosy kely aty amin’ny fari-dranomasin’ny Oseana Indiana misy antsika (Maurice, La Reunion,..)

Firenena voahozona ve isika sa diso mitady ny manganana ka mahita ny afero lava ?

Ny fahapotehan’ny toe-karena tamin’ireo vanim-potoana voalazako eo ambony ireo dia lesona omen’ny tantara antsika fa tsy tokony hatao ary ialana toy ny fasam-bao ny "fikomiana".

Ny toe-tsain’ny mpitondra tia tena sy manjakazaka ary manao kely tsy mba mamindro dia lesona omen’ny tantara antsika fa fahalovana mambotry vahoaka.

Efa hita fa nahafatesana olona maro hatrany ny fampijoroana “governemanta mpikomiana” (Gouvernement insurrectionnel) sy “fanambaran-tena ho mpitondra” (Autoproclamation) dia lesona omen’ny tantara antsika fa tsy mahasoa.

Nahoana ary no miverina hatrany ny tantaran-tsika ?

Tsy ny fitakiana tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009 velively akory no tsy MARINA sy MAZAVA fa izay mahazo fitondrana dia minia manadino izany fitakiana maha olona izany (Tanindrazana, Fahafahana, Fandrosoana).

Ny fanehoan-kevitro teto hatramin’izay dia ny fandalana hatrany ny fifampiresahana (Dialogue) eo amin’ny samy olombelona, fa indrindra ny samy Malagasy. Tsy biby isika ka hifandramatra na hifanoto.
Ankoatra izay dia tsarovy fa “ho voaozona izay olona matoky olona” (Jeremia 17: 5a) fa “hotahina kosa izay olona matoky an’i Jehovah” (Jeremia 17: 7a).
 


 

Nafohezina ny dia nataon'ny Filoha Ravalomanana tany Afrika Atsimo ka tonga teto an-tanindrazana izy ny Alahady 25 Janoary 2009 tamin'ny 4 ora tany. Vahoaka maro no nitsena azy teny Ivato. Nandrasan'ny rehetra ny ho valin-kafatra ho an'Ingahy Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina nangataka ny hialan'ny governemanta Rabemananjara.

Hoy Ingahy Ravalomanana:"Mahatezitra ahy ary tsy andeferako mihitsy ny fanitsakitsahana ny lalam-panorenana, izay niaianako tamin'ny vahoaka sy Andriamanitra, ataon'ny Andry Rajoelina" raha fintinina. Nanome baiko ny Praiminisitra izy hanandray ny andraikiny.

Namaly avy hatrany ny Ben'ny Tanàna raha vita ny valan-dresaka nataony ka nilaza fa "mbola minia manampin-tsofina ny Filoha ka tsy miova ny fotoana eny amin'ny kianjan'ny 13 Mey".

Ny alin'io Alahady 25 Janoary io tokony tamin'ny 3 ora maraina tany dia niakatra teny Ambohimitsimbina (misy ny emetteur ny Radio Viva) ireo commando Afrikana Tatsimo netin'ny Filoha, nandrava ny andrimasom-pokonolona sy nanongotra ka namotika ny emetteur.

Anio Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia tonga maro teo amin'ny "Kianjan'ny 13 Mey" Analakely notarihin'ny Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina ireo mpankasitraka azy sy ny mpihainohaino rehetra. Hoy izy:"Miala eto isika izao dia mandeha eny amin'ny lapan'ny Fitsarana hamoaka ireo mpianatra nosamborina, avy eo mankeny Digue mampitsahatra ny asa eny satria tsy nahazoana alalana avy amin'ny Ben'ny Tanàna io".

Roso ny dia fa indrisy nampalahelo ny zava-niseho:
May ny RNM sy TVM. May ny MBS. May ny MAGRO rehetra.May ny tranon'i Mox Ramandimbilahatra.Maty ny roa tamin'ireo mpanaraka ny Andry Rajoelina....
Miverina ve ny tantara tamin'ny 2002 araka ny voalazan'ny Gazety iray sa ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ? Araho ny tantara!


 

Mazava ny tenin'ny Ben'ny Tanàna Antananarivo Renivohitra Andry Rajoelina tetsy amin'ny Kianjan'ny Demokrasia (Ambohijatovo) sy teo amin'ny Kiajan'ny 13 Mey (Analakely) androany Sabotsy 24 Janoary 2009:"Miala ny governemanta Rabemananjara".

Nanohy ny teniny ny "Zandrikely":"Vonona hitantana ny tetezamita ny tenako Andry Rajoelina". "Rehefa isika no mitantana dia hamidy avy hatrany ny fiaramanidina "Air Force One II".  "Manomboka amin'ny Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia mifamontoana eto amin'ny "Kianjan'ny 13 Mey" amin'izay isika mandram-pialan'ny governemanta". Hoby, tehaka, sioka, horakoraka tsy ifandrenesana no nanakoako. "Sao hisy hilaza indray amin'ny gazety rahampitso fa manongam-panjakana i Andry Rajoelina: tsia tsy manongam-panjakana isika fa ny vahoaka no nametraka ny mpitondra dia izy ihany no manala"."Tokony hahay haka lesona ny mpitondra".

Maro ny zava-boalaza androany fa nasongadiko ireo teny ireo.
Omeko anareo ny sary nalaiko tamin'izany "andro iray manan-tantara" izany mba ho aingon'izao lahatsoratro izao.

Fanamarihana:

- Jereo ity lahatsoratra ity "Cohabitations". Raha ny Ben'ny Tanàna sy ny Filoha no voaresako, hay ilay ohatra noraisiko no ho tanteraka (Président sy Premier Ministre) ??

- Sary nalain'ny tebokaefatra

Inona no hiseho eo amin’ny « Kianjan’ny Demokrasia » Ambohijatovo rahampitso Asabotsy 17 Janoary 2009, amin’ny fotoana hanokanana izany kianja izany ?. Ho tonga maro hanohina ny antson’ny Ben’ny Tanàna Andry Rajoelina ve ny olona ? Hirongo fitaovam-piadiana hanakana izany ve ny mpitandro filaminana ? Iza no ho voasambotra sy higadra ? Hisy maty sy maratra ve ? Hizotra araka izay nieritreretan’ny Ben’ny Tanàna azy ve ka hody am-pilaminana ny rehetra ?…..Eo anoloan’izany fanontaniana tsy ahitam-baliny mazava izany dia aleo ny fotoana ho avy no hamaly azy.
Ny zava-misy eo amin’ny Ravalomanana sy Rajoelina izao dia mampahatsiahy ahy ny zava-nisy teo amin’ny Francois Mitterrand (Parti Socialiste) sy Jacques Chirac (RPR), teo amin’ny Jacques Chirac sy Lionel Jospin (Parti Socialiste), teo amin’ny Didier Ratsiraka (Arema) sy Marc Ravalomanana (Tiako Iarivo)…
Inona no tiako holazaina: olona tsy iray antoko ireo fa samy nanana ny azy, sy samy nanana ny andraikiny nefa noteren’ny vahoaka (fifidianana) hiara-hiasa. Io ilay antsoina hoe “cohabitations”. Ny « cohabitations » tsy midika hoe foana ny maha izy azy ny tsirairay fa rehefa tombotsoa iombonana kosa dia iraisana sy mifanome tànana, alevina ny fifandirana sy tsy fitovian-kevitra. Mila fahaizana « diplomatie » io.
Samy Frantsay ary samy Malagasy ireo ohatra noraisiko teo ambony ireo ka mahaiza miara-monina sy miara-miasa ary maka tahaka ry Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.

Inona no hiseho eto amintsika "rahampitso" ?. Hamaly angamba ianareo hoe ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eny Iavoloha (Fanjakana) sy etsy amin'ny kianja mitafo Mahamasina (CUA)! Tsy dia izay hiseho rahampitso Zoma 9 Janoary 2009 loatra no ao antsaiko raha manontany aho fa ny ho avy.

Izao mantsy no zava-misy ankehitriny ary mampanahy:
Ny zanaka (CUA) mametraka "ultimatum" ny Ray aman-dreny (Fanjakana).
Ravalomanana mandrangaranga "avertissement" an'i Andry Rajoelina.
Ny zanaka manao "ialahy" ny ray. Ny ray mandaka "fitombenana" ny zanaka.
Ny zanaka tsy te-hahalala ny rafitra an-tanantohatra ka sahy mitory ny ray amin'ny fitsarana.
Ny zanaka te-hivavaka amin'ny toerana izay tiany (Ambohijatovo) nefa tsy avelan'ny ray raha tsy ao an-trano (Kianja Mitafo Mahamasina).
Azonareo tohizana io...

Tsoan-kevitro:
Ho ahy dia samy fiteny halako na ny "Ultimatum" na ny "avertissement" satria manafina toe-tsaina mihambo sy lehibe tsy mahay milefitra. Mila ny fifampiresahan'ny roa tonta ny mponina eto Iarivo. Mila ny roa tonta mahay mifandefitra ny vahoaka eto Antananarivo.Dia ho tànana mandroso, maha te-honina, madio Antananarivontsika satria miara-miasa ny roa tonta.

Miarahaba antsika rehetra namana nahatratra indray ity taona 2009 ity. Homba antsika tsirairay tokoa Andriamanitra Ray.

Vao miandoha ny taona dia ny zava niseho tany Paris ny 1 Janoary 2009 no nisarika ny saiko. Inona marina no niseho tany ? Fanontaniana apetrako aminareo namana monina any izany mba ho loharanom-baovao maro no ho renay aty Dago.

Inona ilay vaovao:
Nanomboka ny zoma 2 jaonary 2009 hariva dia niely tamin’ireo tranonkala samihafa ny fivorian’ireo “diaspora” malagasy tao Paris any Frantsa fa “hitory ny Fanjakana malagasy  amin’ny fanomezana ilay tany manana velarana 1,3 tapitrisa hekitara any amin’iny ilany atsinanan’i Madagasikara iny nomena ny Koreana Tatsimo izy ireo”. Io ilay "affaire Daewoo Logistics" efa nasian'i Jentilisa safosafon-dresaka teto ihany.

Ny Alahady 21 Desambra 2008 no nandefasako ity taratasy ity ho an'i Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina ka omeko ho vakianareo namana ihany koa.

Miarahaba anao Atoa Ben'ny Tanàna
 
"Disadisa", "savorovoro" izay no azoko ilazana ny zava-misy eto Antananarivo Renivohitra amintsika miteny izao.

Efa hita sy re ny teny nataonao amin'izay ambarana fa "tsy rariny" sy "didy jadona" atao aminao sy ny mpiara-miasa aminao amin'ny fitantanana ity Renivohitra malalantsika ity. Mino aho fa ren'ny mpitondra fanjakana isan-tokony ireny na tsy "mamaly" aza izy. Efa vita ny anjaranao!
 
Ny hevitro, ary atolotro am-pitiavana ho anao dia ity. Aza avela ho raraka an-tany ny fitokisana napetrakay taminao mba hahatanteraka ny programa izay efa nambaranao. Izany hoe "mandefera" amin'ny endri-javatra toa izao na dia misy tsy rariny aza fa tsy tiako raha PDS no hasolo anao. Olona notezaina tamin'ny fivavahana ianao ka araho izany. 
 
I Tes 5:
14. Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.
15. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
 
Manao veloma anao amin'ny anaran'ny Tompo.
 

 

Endriky ny serasera ankehitriny ny internet. Efa ela izaho no naniry ny mba hananan'ny Commune Urbaine d’Antananarivo (CUA) izany ary hinoako fa andalana izany. Ny adiresy e-mail aloha izao no efa nampahafantarina ka zaraiko aminareo namana rehetra eto.

[email protected]


Natao ho fampandraisana anjara ny rehetra mba ho fampandrosoana ny tànana izao satria mbola maro ny fanatsarana tokony hatao amin'ny renivohitry Madagasikara raha tsy hiteny afatsy ny loto, ny mpivarotra tsy manara-dàlana sns.
"Entan-jaraina tokoa mora zaka ary ny hevitra tsy azo tsy amin'ny olombelona".


Fa araka ny hevitry ny CUA dia hisy lohahevitra isam-bolana ho valian'izay manan-kevitra mikasika ny sosialy, ekonomika, politika, tontolo iainana, koltoraly, fialam-boly, fanatanjahan-tena. Amin'ity volana Desambra 2008 ity dia mikasika ny "fomba fintantanana ny vola fitia tsy mba hetra hangonina hamitana ny Lapan'ny tànana" no resaka. Manomboka ny volana Septambra 2009 io fitia tsy mba hetra io.


Manorata "tsara" ary fa tànanantsika no hasoavina.

Ity sary ity dia nalain'ny NASA tamin'ilay zanabolana HUBBLE.
Ny anarany:"Mason'Andriamanitra" na "L’OEIL DE DIEU"
Ny fisehoan-javatra toa izao dia miseho in-dray mandeha ao anatin'ny 3000 taona.
Misy milaza fa ny sary toa izao koa dia miteraka fahagaga ho an'ny fiainany ny fahitana azy.Asa anefa ny fahamarinan'izany.
Zao ary eee hevero ho mason'Andriamanitra fotsiny hoe io dia ireto teny ireto no tsarovy.
"Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony."
"Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona."
"Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, Ary mahita ny diany rehetra Izy."

 

Teto ihany fa sahirana dia izao indray vao manoratra sy hamaky ny resakareo rehetra. Nefa misy vaovao hitako ka mba entiko.

Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny prefet Antananarivo Renivohitra ny 1 Desambra 2008.Votoatin'ny tafa dia manome baiko ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina hanangona ny fako haingana dia haingana. Ny tohan-kevitra narosony dia hoe efa misy trangana pesta hita eny Ambohimanarina amin'izao fotoana izao.Hatreo aloha raha mamaky ity lahatsoratra ity ianao dia hiteny ohatra ahy koa hoe: "ka marina kosa zany koooo!".Nefa rehefa mandinika tsara dia mbola "hoditr'akondro eeee!"

Tohiny....
-Ny olona tokony hiantefan'ny resaka (Andry Rajoelina) dia niara-naheno tamiko tamin'ny radio sy fahitalavitra ny tianay ho lazaina nefa samy miasa eny Tsimbazaza avokoa. Hihihihihihi
-Nilaza koa ny prefet fa tsy misy resaka politika izao resaka izao fa fampahatsiahivana ny andraikitry ny Ben'ny Tanàna fotsiny nefa dia ny mpanao gazety no nilazana azy voalohany. Hihihihihihi
-Nanamafy izy fa efa eny Ambohimanarina ny pesta nefa olona avy lavitra tonga nitsabo tena taty Antananarivo fa voan'ny pesta io maty io.Hihihihihihi

Raha misy havany ianareo dia mba lazao aminy fa tsy misy tsara noho ny miresaka raha te-hampandroso firenena. Ny hevitra anie tsy azo tsy amin'ny olombelona e.

Nifidy izay ho filoham-pireneny ny be kintana (Amerikana) androany Talata 4 Novambra 2008. Na Obama na McCain no ho lany Filoha.
Voalaza fa ity no fifidianana nampiasana vola be indrindra hatramin'izay. Propagandy io!.
Voalaza fa ity no fifidianana be mpifidy indrindra hatramin'izay.
Voalaza fa ity no fifidianana niavaka indrindra satria sambany vao mba nisy mainty hoditra (Obama) mety ho lany ho Filoham-pirenena.
Voalaza fa ity no fifidianana nahazoan'ireo radio sy TV vola be indrindra satria nanatobaka izany ireo kandida (Indrindra fa Obama).
Voalaza fa ity no fifidianana mety hanamarika ny "fiovana" any Etazonia raha Obama no lany satria io "fiovana" io no hevitra nitondrany ny fampielezan-keviny.
Mitodika any Etazonia ny mason'izao tontolo izao. Isika malagasy koa ao anatiny na dia tsy hanam-piovana "goavana" aty amintsika tany madinika aza ny politika Amerikana! Nefa dia miandrandra izany avokoa ny tany Afrikana  satria mana-nila avy aty ingahy Obama!!!
Raha Amerikana aho dia nifidy Obama satria fanohizana ny politikan'Ingahy Bush ihany no ataon'i McCain ka tsy tiako.Raha Amerikana aho dia efa naleviko impito mandifitr'olona ny fanavakavahana @ lafiny rehetra.Raha lany Obama dia angatahina @ Andriamanitra hahavita ny taom-piasany izy.
Niteny ny Filoha Malagasy Atoa Ravalomanana Marc fa ny "faits divers hita amin'ny gazety malagasy no mampatahotra ireo mpampiasa vola ka tsy ahatongavany eto Madagasikara".
Dia lasa ny saiko.
Hiverina ve zany ny sivana satria toa milofo mafy hampiditra ireo mpampiasa vola vahiny eto Madagasikara izao fitondrana izao nefa izy tenany no milaza ankehitriny fa tsy mety tonga izy ireo? Rehefa tapina ve ny vavan'ny gazety Malagasy dia izay no mety ahatongavany?
Dia ho sanatria koa ve ka ny feon'ny RNM sy TVM ary ny BMS irery no hany henon'ny Malagasy an-tapitrisany. Sanatria anie izany!
Zo fototra arovan'ny lalampanorenana ny fahafahana sy fahalalahana ka aleo ny gazety haneho ny heviny. Ampiharo ny làlana raha misy mihoa-pefy fa aza ny hafa no anilihana ny tsy fahaiza-manao. Sady ianareo rahateo no mitondra hoy ny Filoha!
Izahay mpamaky koa mila hevitra maro azo isafidianana fa efa nilaozan'ny toetr'andro ny "feo tokana".
Tsotra ny hevitro. Miala rehefa tsy mahavita azy.
Masiaka kely izao fa toa mitady ho voatohitohina ny "aferoko", dia ny fahafahako sy ny fahalalahako!

Ity ny tohin'ny "Fijery ambony 1" ry namana mpiserasera isany ooo!

Niakatra ihany aho. Hay asiana fanavaozana koa ny Fiangonana miteny Frantsay Andohalo. Vakoka tsara karakaraina tokoa itony.

Betsaka koa ianareo no nahita soa tao amin’ny Lycée Gallieni na Andohako ankehitriny. Mbola mijoalajoala ihany hatramin’izao.

Lapan’ny Praiministra faha Mpanjaka no tena nahalala an’Andafiavaratra ary may dia nasiana fanamboarana na dia tsy vita hatramin’ny farany aza. Azon’ny fakantsariko nalaina sary tsara ihany anefa.

Teo akaiky teo ihany ny Fitsarana faha Mpanjaka. Tsara kosa fa sady mahazo rivodrivotra ny mpitsara sy ny voampanga.

Tonga teny an-tampony aho dia nifanatrika tamin’ny Lapan’ny Manjakamiadana. Tsy ilay alahelo tamin’ny fotoana nahamay azy intsony no tao am-poko fa endrika mirana feno fanantenana satria mandroso ny asa fanarenana rehetra.

Azo tsidihina tsara eny ary tamin’io Alakamisy 25 Septambra 2008 io dia izaho irery no netin’ilay mpiandry tànana, natorotorony  sy nazavainy ny asa rehetra eny.

 

Voalohany notsidihinay ny Fiangonana izay efa vita tanteraka. Ny hany sisa tsy main’ny afo dia ny pilipitra hazo sy ny toerana fipetrahan’ny Mpanjaka dia ampahana gorodona kely eo amin’ny pilipitra. Ny sisa dia vaovao avokoa.

 

 

Nojerenay indray ny Lapa samihafa:

-Toa an’ny Besakana

.

 -Toa an'ny Majakamiadana.

Toa izao kosa ny dobo fandroan’ny Mpanjaka.

Sy ny fasana nilevenany.

Izay no tao an-dRova.

Fa raha nitodika tany atsinananana aho dia izao no hitako.

 Ny taty andrefana kosa dia izao no tazako.

Tapitra, fa mbola hitohy amin’ny faritra hafa indray ny  “Fijery”.

 

NB: Azo tsidihina eny amin’ny Rova ny Alakamisy 6 Novambra 2008, ary tsy andoavam-bola.

Dia afaka miomana sahady isika izay, eto an-tanàna, ka  liana .

 

Alakamisy 25 Septambra 2008. Tsy niasa aho androany dia nandeha nitsangantsangana. Tsy niaraka tamin’ny vady aman-janako anefa fa ny fakantsariko. Hijery ny hakanton’ny tanàna misy ahy dia Antananarivo Renivohitra sy ny zava-misy tsara ho fantatra.

Hanombohako ny fitsidihako dia iny tanàna ambony iny na “La Haute“. Tsy ny zava-kanto rehetra akory no entiko ho anareo fa izay hitan’ny fankantsariko ihany.

Dia mazotoa mijery sy mahay mankafy.

Sary: Ambohijatovo Ambany, sy ny vohitra Ambatonakanga ahitana ny Fiangonana

 

Teo Ambohijatovo Avaratra (JIRAMA) ihany aho no nitodika teny Ambatovinaky.

 

Sary: Ny Fiangonana Ambatovinaky

 

Tonga teo Andohalo aho dia sary maromaro no asehoko anareo.

Eo aloha ny fanamboarana ny zaridaina karakarain’ny Commune Urbaine Antananarivo, izay amperin’asa tokoa.

 

 

 

 

 

Nidina teo amin’ny faritry ny tanànan’ny Katolika Romana indray aho dia ireto no hitan’ny fankatsariko.

Sary: Izy no Jerome RAKOTOMALALA, Kardinaly Malagasy Voalohany

 

 Sary: Katedraly Andohalo

Sary: Fasana misy ny Olontsambatra Victoire RASOAMANARIVO

 

Teo Andohalo ihany aho dia tsy naharitra ny mason’ny fankantsariko fa “nipika” ny Kianja be ny Mahamasina sy ny Lac Anosy

Mbola hitohy

 

Nody any amin’ny mandrakizay Andriamanantena Georges, ilay mpanoratra fantatry ny maro amin’ilay solona anarana hoe RADO. Maty ny Alatsinainy 15 Septambra 2008 taorian’ny aretina nahazo azy. Mandria am-piadanana Andriamanatena Georges. Ho ela velona ianao Rado.

Tsy mahay milaza ny aminy aho fa indramiko Andriamanatena Georges hanambara an’i “Rado sy ny aingam-panahiny”.
Fa mpisakaiza izahay sy i Rado. Mpisakaiza hatry ny ela. Fa tany amin’ny faha 18 taonanay tany ho any no nifankahalalanay ka mandrak’ankehitriny. Mitovy taona nahaterahana rahateo ka mora nifandray, ary iray tany niaviana ka mora nifankahazo.
Fa raha nanonona taminy ny tetiarana niaviako aho, tamin’izay, dia nilaza taminy fa taranaka Mpitandrina hatrany amin’ny razambe nisehoana. Dia ireo Mpitandrina nifandimbidimby anisan’ny nandray ny Fivavahana Kristiana hatramin’ny faha Tany Malagasy, ary taranaka faha-dimy avy amin’izy ireny. Araka izany dia nobeazina sy notezaina tamin’io finoana Kristiana io, no sady sakaizan-tsoratra amam-panadihadiana, vokatry ny fandaharan-teny efa nifandovana tamin’ireo loharano nisehoana.
Avy amin’ny lafin-dreny kosa, dia taranaka nipoitra tao an-tananan’Amboanana, dia ilay vohitra kely ao atsimon’Arivonimamo, izay nisehoan’ireo Menalamba sahy nanohitra voalohany indrindra ny Fanjanahantany teto Madagasikara. Araka izany koa dia mba nandova ny ran’ireo tia tanindrazana tsy nanaiky hozogain’ny vahiny.
Tsy namitaka ilay loharano madio ny fantsona nikorianan’ny tononkalo sy tononkira mamelombelona, ka tsy tao amin’Andriamanantena ihany no niantefa ny akony fa maro ireo mpamoron-kira fanta-daza no nandrafitra feony hifanaraka amin’ireny tononkira ireny mba hampitàna azy lavidavitra kokoa. Nangata-dàlana hanao izany ry Ramaroson Wilson, Naly Rakotofirina, Henri Ratsimbazafy, JJ Tseheno, Rivo Ramandiamanana, Bessa, MR Razafy, Fanja Andriamanantena sy ny sisa.

Ireo hiram-pivavahana koa dia nahazo toerana tao am-pon’ny mpino ka niely patrana vetivety eran’ny Nosy. Toa izany ny “Aza avela hahalala”.

Aza avela hahalala
Ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala
Na ireo maraina vao

Tsy ho takatry ny saiko
‘Zay rehetra lahatrao
Ny angatahako, ry Raiko!
Aoka aho hatoky Anao

Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny antony tomany
Efa hitako hatrizao

Aza avela hanefy
Ny ampitso ‘zay Anao
Aza avelanao handrefy
‘Zay ho fitantananao

Ivelan’ny tononkalo sy ny hiram-pivavahana koa dia nanana aingam-panahy iray, izay mpiseho amin’ny alalan’ny hosodoko i Rado. Tsapany mantsy indraindray, fa mitovy fenitra hotratrarina ny mpanoratra sy ny mpanosodoko. Mifameno ireo, fa izay mampikavihavia amin’ny soratra mety ho tonga dia voaray eo amin’ny endrika amam-bika.

Fa mba ahoana kosa, hoy ireo mpanoratra efa namaky ny aingam-panahin’i Rado ?
-Hoy i Emilson D Andriamalala: “Eto no ahitantsika ny maha Rado azy, fa tsy hafatra tsotra, tsy hafatra ara-dàlana no entiny ho an’ny firenena… hafatra ambonimbony kokoa noho izany, satria manakaiky ny fanaperana dia ny hafatry ny Fitiavana”.
-Hoy Randza Zanamihoatra: “Be ny zavatra tiako ambara momba an’ise nefa ataoko fa manampatra loatra izany. Rehefa mibosesika ny  sentiments dia manahirana ny mamintina ny hevitra. Teo am-pamakiana an’ise dia talanjona sady niaiky marimarina ny fahaizan’ise ity zavatra ity. Kivy ratsy aza aho, kanefa dia nampirisika ahy hiezaka mafy ny asan’ise”.
-Hoy i Dox Razakandraina: “Ianao dia poetin’ny Fahafahana ary mpiady ho an’izay mbola voatsindrin’ny fanjanahana. Namafisinao ny firahalahiantsika amin’ny Afrikana amin’ny hoe “Maity aho” na ao aza ny kanalin’I Mozambika izay lalina dia lalina tokoa. Ary na heveriko ho tantsinana aza isika, ny firahalahiana torianao dia firahalahian’ny olombelona rehetra. Ny fanahy no olona fa tsy ny volon-koditra akory ka misaotra anao fa hery ho an’ny voatsindry rehetra ny tononkiranao, izay miely eran’izao tontolo izao ary mahafaly fa tafiditra amin’ny fandaharam-pianarantsika. Hahita hery anie izao taranaka izao hanohy ny tolona.”

(Nalaina tao amin'ny“ZO”-takila faha 193-219)

Miarahaba e

Tsy hanoratra lahatsoratra aho fa hanontany hoe iza moa ilay namana nandefa lahatsoratra miaraka amin'ny sary "ny fivoaran'ny olombelona" iny. Mba ilaiko fa ampio kely izaho fa tsy tadidiko. Merci daholo

Araka ny fanampahan-kevitry ny Ministeran'ny Vola eto amintsika dia giazana tsy omena ny Commune Urbaine Antananarivo izay fantatsika rehetra fa tantanan'Atoa Andry Rajoelina ny volan'ny commune izay mitentina
880 millions Ar. Antony nambara dia hanefana ny trosan'ny "Fivondronam-pokotany Antananarivo Renivohitra" hatramin'ny taona 1980.
Drayyyy le retsy aaaa!! Sao tonga amin'ny tenin'ny Ben'ny Tànana matetika hoe "famingampinganana" atao aminy izao fanapahan-kevitra izao.
Marina fa ny trosa "nolovaina" dia tsy maintsy hefaina fa mba atao araka izay zakan'ny ho enti-manana araka ilay fitenintsika Malagasy hoe: "Atao tery omby ririnina, tsy hamono ny reniny no tsy hahafaty ny zanany". Izay moa ilay fiteny ??!!
Tsy hanontany aho hoe: ary ireo Ben'ny tànana teo aloha rehetra ve mba nanefa ny trosany.???
Tsinjovy ihany ry zalahy manampahefana isany ny "fampandrosoana" fa tsy "famonoana" aaa

Minisitra no ho Filoha Mpanampin'ny FJKM
Androany Alarobia 20 Aogoistra 2008 no hifidy izay Biraon'ny Foibe FJKM ny Mpiandraikitra Foibe miisa 80 izay vao lany tany Mahajanga, ao anatin'izao Synoda Lehibe atao any izao.
Tafiditra ao anatin'ireo mpiandraikitra Foibe ka laika ny Filohan'ny Repoblika (Ravalomanana), Minisitra am-perin'asa roa (Razafimahefa sy Razafinjatovo) , ary Minisitra teo aloha iray (Radavidson).NY itovizan'izy efa-dahy ireo dia samy manana andraikitra tao amin'ny FJKM avokoa.
Tsy maintsy ny iray amin'ireo koa no ho voafidy ho Filoha lefitra ao amin'ny Birao Foibe FJKM izay nambarako fa ho fidiana androany any Mahajanga.
Nanaiky ho fidina ao amin'ny Mpiandraikitra Foibe avokoa izy efa-dahy ka inoana fa tsy handa ho fidina Filoha Mpanampy ihany koa.Ny Filoha Ravalomanana anefa efa nanambara fa tsy hirotsaka ho fidina intsony. Hain'izay mahalala azy ihany anefa ny fiovaovan-keviny.
Fiaraha-miasan'ny Fanjakana sy ny Fiangonana koa moa ny politikan'ny Mpitondra ankehitriny ka fanamafisana izany ny fahatongavan'izy telo lahy Minisitra ao amin'ny Mpiandraikitra Foibe.
Fiaraha-miasa amin'ny Fiangonana rehetra ve anefa?. Sarotra inoana satria efa niaraha-nahita ny "disadisa" teo amin'ny Mpitondra sy ny Katolika. Tsy hahita ravin'avatra ihany koa anefa ry zareo Apokalipsy amin'ity Fitondrana ity. Inona no anjara mba andrasan'ny Jesosy Mamonjy ?. sns
Ny tena mahita sy mahazo ny mamy dia izahay FJKM ary afaka manaporofo izany ny mpino FJKM.Fanatevenana izany izao "fanendrena" ny iray amin'izy telolahy ho Filoha Mpanampy izao.

« Soabika »

Fandaharana iray ao amin’ny TV Plus Madagascar miresaka fampahiazan-tena.
Voasokajy ao anatin’itony atao hoe  « Téléréalité » itony ity fandaharana « Soabika » ity.
Fifaninana eo amin’ireo vehivahy miisa 11 nahazo vatana izy io.
Natao ny Asabotsy 16 Aogositra 2008 teo ny « escale » faharoa izay hitsarana ny ezaka vitan’ny tsirairay sy hijerena izay mpifaninana be mpifidy ka mbola hijanona ao amin’ny « Château ».
Raha ampitahaina ny « escale » voalohany sy faharoa dia tsaratsara kokoa ity farany. Na teo amin’ny sary (mivantana), na ny hazavana (jiro)... Fa na izany aza mbola lava loatra (ora efatra latsaka kely ) ka mankaleo sy mampatory ny mpijery na ny tao amin’ny “gymnage” Akorondrano na ny tany an-trano.. Tsy mba ireny fandaharana fohifohy mampilendalenda ireny.
Fa izay tena nanesika ahy hanoratra ho anareo momba ity fandaharana ity dia izao ambarako anareo izao. Asa aloha raha mba nisy nanaraka ity fandaharana ity ianareo na dia izaho irery no nijery. Ahoana marina ireny “fepetra” niova tampoka ireny. Nolazaina fa hisy iray mody amin’ity “escale” faharoa ity dia izay mahazo naoty kely indrindra na ny “sms” azony na ny naoty omen’ireo "mpanazatra". Nambara tokoa ny mpifaninana mody nefa nolazaina indray fa “noho ny feon’ny mpijery” dia mbola mijanona ao amin’ny “Chateau” indray sy ny fitenenana hoe “mbola kely loatra ny 15 andro hitsarana azy ireo”.
Oadray re olona oooo. Fa iza no nanao ny fepetra no miova tampoka toa izany. “Tsy matotra” hoy ny fitenin’ny tanora ankehitriny.
Nambaran’ny mpikarakara koa (Tv Plus) fa izato nomerao izato no nahazo ny “fanomezana” ho an’ireo nandefa sms. Tsy naheno na nahita aho raha nijery io fandaharana io ka nisy ny solotenam-panjakana (Ohatra: police des jeux) nanamarina ny nahazo loka tamin’ny sms na ny vokatra azon’ny mpifaninana. Ny fahamarinana indray no tiako havoitra amin’ity fanamarihana faharoa ity.
Ekeko fa tsara ilay fandaharana satria tsy mbola nisy nanao tokoa tamin’ireo fahitalavitra Malagasy fa raha hanao ihany dia manaova ny tena “matotra”.

Miarahaba ny namana rehetra izay mamaky ity lahatsoratro voalohany ity

Tamin'ny Repoblika voalohany nitondran'Ingahy Tsiranana dia nahay nanasoa ny tany niaviany izy raha tsy hilaza afatsy ny làlana mankany aminy na miakatra eo amin'ny vohitra honenany. Tsy zarizary kosa izany tamin'ny Repoblika faharoa nitantanan'ny Filoha Ratsiraka ka "nanomezan-tsiny" azy. Mahita anefa izaho ankehitriny fa niverina indray iry fomba voalohany iry amin'izao maha Prezida an-dRavalomanana izao.

Teny Imerikasinina aho ny Sabotsy 26 Jolay 2008. Vita hatreo ny lalan-tany fa vita "tara" avokoa hatreo am-baravarana. Tsara e! Mahafinaritra e!

Mahazo tombotsoa ny "vahoaka" aloha raha jerena maimaika fa ny tompon-tànana no tena migoka sahady ny "fisotroan-dronono". Tsy làlana ihany mantsy no zava-misongadina sy lehibe eo amin'ity vohitra Andrina ity fa misy trano lehibe, tena lehibe tokoa, miorina eo an-tampony eo. An'iza ?

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.