03 Desambra, 2008 13:54
Miresaka ihany e!
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Politika ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Teto ihany fa sahirana dia izao indray vao manoratra sy hamaky ny resakareo rehetra. Nefa misy vaovao hitako ka mba entiko.
Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny prefet Antananarivo Renivohitra ny 1 Desambra 2008.Votoatin'ny tafa dia manome baiko ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina hanangona ny fako haingana dia haingana. Ny tohan-kevitra narosony dia hoe efa misy trangana pesta hita eny Ambohimanarina amin'izao fotoana izao.Hatreo aloha raha mamaky ity lahatsoratra ity ianao dia hiteny ohatra ahy koa hoe: "ka marina kosa zany koooo!".Nefa rehefa mandinika tsara dia mbola "hoditr'akondro eeee!"
Tohiny....
-Ny olona tokony hiantefan'ny resaka (Andry Rajoelina) dia niara-naheno tamiko tamin'ny radio sy fahitalavitra ny tianay ho lazaina nefa samy miasa eny Tsimbazaza avokoa. Hihihihihihi
-Nilaza koa ny prefet fa tsy misy resaka politika izao resaka izao fa fampahatsiahivana ny andraikitry ny Ben'ny Tanàna fotsiny nefa dia ny mpanao gazety no nilazana azy voalohany. Hihihihihihi
-Nanamafy izy fa efa eny Ambohimanarina ny pesta nefa olona avy lavitra tonga nitsabo tena taty Antananarivo fa voan'ny pesta io maty io.Hihihihihihi
Raha misy havany ianareo dia mba lazao aminy fa tsy misy tsara noho ny miresaka raha te-hampandroso firenena. Ny hevitra anie tsy azo tsy amin'ny olombelona e.
04 Novambra, 2008 13:57
OBAMA SA McCAIN ?
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Politika ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Voalaza fa ity no fifidianana nampiasana vola be indrindra hatramin'izay. Propagandy io!.
Voalaza fa ity no fifidianana be mpifidy indrindra hatramin'izay.
Voalaza fa ity no fifidianana niavaka indrindra satria sambany vao mba nisy mainty hoditra (Obama) mety ho lany ho Filoham-pirenena.
Voalaza fa ity no fifidianana nahazoan'ireo radio sy TV vola be indrindra satria nanatobaka izany ireo kandida (Indrindra fa Obama).
Voalaza fa ity no fifidianana mety hanamarika ny "fiovana" any Etazonia raha Obama no lany satria io "fiovana" io no hevitra nitondrany ny fampielezan-keviny.
Mitodika any Etazonia ny mason'izao tontolo izao. Isika malagasy koa ao anatiny na dia tsy hanam-piovana "goavana" aty amintsika tany madinika aza ny politika Amerikana! Nefa dia miandrandra izany avokoa ny tany Afrikana satria mana-nila avy aty ingahy Obama!!!
Raha Amerikana aho dia nifidy Obama satria fanohizana ny politikan'Ingahy Bush ihany no ataon'i McCain ka tsy tiako.Raha Amerikana aho dia efa naleviko impito mandifitr'olona ny fanavakavahana @ lafiny rehetra.Raha lany Obama dia angatahina @ Andriamanitra hahavita ny taom-piasany izy.
25 Oktobra, 2008 16:40
MIALA REHEFA TSY MAHAVITA AZY
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Politika ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Dia lasa ny saiko.
Hiverina ve zany ny sivana satria toa milofo mafy hampiditra ireo mpampiasa vola vahiny eto Madagasikara izao fitondrana izao nefa izy tenany no milaza ankehitriny fa tsy mety tonga izy ireo? Rehefa tapina ve ny vavan'ny gazety Malagasy dia izay no mety ahatongavany?
Dia ho sanatria koa ve ka ny feon'ny RNM sy TVM ary ny BMS irery no hany henon'ny Malagasy an-tapitrisany. Sanatria anie izany!
Zo fototra arovan'ny lalampanorenana ny fahafahana sy fahalalahana ka aleo ny gazety haneho ny heviny. Ampiharo ny làlana raha misy mihoa-pefy fa aza ny hafa no anilihana ny tsy fahaiza-manao. Sady ianareo rahateo no mitondra hoy ny Filoha!
Izahay mpamaky koa mila hevitra maro azo isafidianana fa efa nilaozan'ny toetr'andro ny "feo tokana".
Tsotra ny hevitro. Miala rehefa tsy mahavita azy.
Masiaka kely izao fa toa mitady ho voatohitohina ny "aferoko", dia ny fahafahako sy ny fahalalahako!
29 Septambra, 2008 13:20
Fijery ambony (2)
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Fizahantany ][ (5) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Ity ny tohin'ny "Fijery ambony 1" ry namana mpiserasera isany ooo!
Niakatra ihany aho. Hay asiana fanavaozana koa ny Fiangonana miteny Frantsay Andohalo. Vakoka tsara karakaraina tokoa itony.
Betsaka koa ianareo no nahita soa tao amin’ny Lycée Gallieni na Andohako ankehitriny. Mbola mijoalajoala ihany hatramin’izao.
Lapan’ny Praiministra faha Mpanjaka no tena nahalala an’Andafiavaratra ary may dia nasiana fanamboarana na dia tsy vita hatramin’ny farany aza. Azon’ny fakantsariko nalaina sary tsara ihany anefa.
Teo akaiky teo ihany ny Fitsarana faha Mpanjaka. Tsara kosa fa sady mahazo rivodrivotra ny mpitsara sy ny voampanga.
Tonga teny an-tampony aho dia nifanatrika tamin’ny Lapan’ny Manjakamiadana. Tsy ilay alahelo tamin’ny fotoana nahamay azy intsony no tao am-poko fa endrika mirana feno fanantenana satria mandroso ny asa fanarenana rehetra.
Azo tsidihina tsara eny ary tamin’io Alakamisy 25 Septambra 2008 io dia izaho irery no netin’ilay mpiandry tànana, natorotorony sy nazavainy ny asa rehetra eny.
Voalohany notsidihinay ny Fiangonana izay efa vita tanteraka. Ny hany sisa tsy main’ny afo dia ny pilipitra hazo sy ny toerana fipetrahan’ny Mpanjaka dia ampahana gorodona kely eo amin’ny pilipitra. Ny sisa dia vaovao avokoa.
Nojerenay indray ny Lapa samihafa:
-Toa an’ny Besakana
.
-Toa an'ny Majakamiadana.
Toa izao kosa ny dobo fandroan’ny Mpanjaka.
Sy ny fasana nilevenany.
Izay no tao an-dRova.
Fa raha nitodika tany atsinananana aho dia izao no hitako.
Ny taty andrefana kosa dia izao no tazako.
Tapitra, fa mbola hitohy amin’ny faritra hafa indray ny “Fijery”.
NB: Azo tsidihina eny amin’ny Rova ny Alakamisy 6 Novambra 2008, ary tsy andoavam-bola.
Dia afaka miomana sahady isika izay, eto an-tanàna, ka liana .
27 Septambra, 2008 14:50
Fijery ambony (1)
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Fizahantany ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Hanombohako ny fitsidihako dia iny tanàna ambony iny na “La Haute“. Tsy ny zava-kanto rehetra akory no entiko ho anareo fa izay hitan’ny fankantsariko ihany.
Dia mazotoa mijery sy mahay mankafy.
Sary: Ambohijatovo Ambany, sy ny vohitra Ambatonakanga ahitana ny Fiangonana
Teo Ambohijatovo Avaratra (JIRAMA) ihany aho no nitodika teny Ambatovinaky.
Sary: Ny Fiangonana Ambatovinaky
Tonga teo Andohalo aho dia sary maromaro no asehoko anareo.
Eo aloha ny fanamboarana ny zaridaina karakarain’ny Commune Urbaine Antananarivo, izay amperin’asa tokoa.
Nidina teo amin’ny faritry ny tanànan’ny Katolika Romana indray aho dia ireto no hitan’ny fankatsariko.
Sary: Izy no Jerome RAKOTOMALALA, Kardinaly Malagasy Voalohany
Sary: Katedraly Andohalo
Sary: Fasana misy ny Olontsambatra Victoire RASOAMANARIVO
Teo Andohalo ihany aho dia tsy naharitra ny mason’ny fankantsariko fa “nipika” ny Kianja be ny Mahamasina sy ny Lac Anosy
Mbola hitohy