27 Septambra, 2008 16:50
Fijery ambony (1)
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Fizahantany ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Hanombohako ny fitsidihako dia iny tanàna ambony iny na “La Haute“. Tsy ny zava-kanto rehetra akory no entiko ho anareo fa izay hitan’ny fankantsariko ihany.
Dia mazotoa mijery sy mahay mankafy.

Sary: Ambohijatovo Ambany, sy ny vohitra Ambatonakanga ahitana ny Fiangonana
Teo Ambohijatovo Avaratra (JIRAMA) ihany aho no nitodika teny Ambatovinaky.

Sary: Ny Fiangonana Ambatovinaky
Tonga teo Andohalo aho dia sary maromaro no asehoko anareo.
Eo aloha ny fanamboarana ny zaridaina karakarain’ny Commune Urbaine Antananarivo, izay amperin’asa tokoa.



Nidina teo amin’ny faritry ny tanànan’ny Katolika Romana indray aho dia ireto no hitan’ny fankatsariko.

Sary: Izy no Jerome RAKOTOMALALA, Kardinaly Malagasy Voalohany

Sary: Katedraly Andohalo

Sary: Fasana misy ny Olontsambatra Victoire RASOAMANARIVO
Teo Andohalo ihany aho dia tsy naharitra ny mason’ny fankantsariko fa “nipika” ny Kianja be ny Mahamasina sy ny Lac Anosy


Mbola hitohy





27/09/2008, 21:27
Mahafinaritra ery 'zany any an-tanàna 'zany. Misaotra tebokaefatra a!
tohizo hatrany e!
--------------------
Ity koa misy pejy ahafahana mijery an-tselika gazety malagasy maromaro tsindrio eto (http://www.netvibes.com/tokinao)
---------------------------
Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko!
27/09/2008, 21:53
Misaotra e ! Ahatsiarovana ny any aminay tokoa ilay izy. Aiza moa no misy ity fasan'i Victoire Rasoamarivo ity fa tsy tadidiko ?
27/09/2008, 22:58
Misaotra be-dia-be an' i tebokaefatra.
Anisan' ny zavatra mahafinaritra indrindra an' i LhlTsRs ny mahita sary réelles mampiseho ny hatsaran 'Antananarivo sy i Madagasikara, toy ireo nasehonao ireo.
Tsara be. Mendri-piderana.
27/09/2008, 23:51
MAhafinaritra ry tebokaefatra.
Toerana falehako isan'andro ireo toerana ireo.
Mahamanina é!
28/09/2008, 16:21
milay e, mampanembona...
Takon'ilay hazo ny tranonay etsy Ambatovinaky, io ambony kelin'ny OMNIS io :-P
29/09/2008, 00:58
io ny JIRAMA eeee :)
29/09/2008, 15:09
Rasoa=> Eo an-tokotanin'ny Katedraly Andohalo ihany no misy io fasana io.Azo idirana ao fa izaho tsy niditra koooo
29/09/2008, 21:30
Misaotra amin'ny sary fa tena tafavoaka tsara mihitsy :D