Inona no hiseho eto amintsika "rahampitso" ?. Hamaly angamba ianareo hoe ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eny Iavoloha (Fanjakana) sy etsy amin'ny kianja mitafo Mahamasina (CUA)! Tsy dia izay hiseho rahampitso Zoma 9 Janoary 2009 loatra no ao antsaiko raha manontany aho fa ny ho avy.

Izao mantsy no zava-misy ankehitriny ary mampanahy:
Ny zanaka (CUA) mametraka "ultimatum" ny Ray aman-dreny (Fanjakana).
Ravalomanana mandrangaranga "avertissement" an'i Andry Rajoelina.
Ny zanaka manao "ialahy" ny ray. Ny ray mandaka "fitombenana" ny zanaka.
Ny zanaka tsy te-hahalala ny rafitra an-tanantohatra ka sahy mitory ny ray amin'ny fitsarana.
Ny zanaka te-hivavaka amin'ny toerana izay tiany (Ambohijatovo) nefa tsy avelan'ny ray raha tsy ao an-trano (Kianja Mitafo Mahamasina).
Azonareo tohizana io...

Tsoan-kevitro:
Ho ahy dia samy fiteny halako na ny "Ultimatum" na ny "avertissement" satria manafina toe-tsaina mihambo sy lehibe tsy mahay milefitra. Mila ny fifampiresahan'ny roa tonta ny mponina eto Iarivo. Mila ny roa tonta mahay mifandefitra ny vahoaka eto Antananarivo.Dia ho tànana mandroso, maha te-honina, madio Antananarivontsika satria miara-miasa ny roa tonta.

Miarahaba antsika rehetra namana nahatratra indray ity taona 2009 ity. Homba antsika tsirairay tokoa Andriamanitra Ray.

Vao miandoha ny taona dia ny zava niseho tany Paris ny 1 Janoary 2009 no nisarika ny saiko. Inona marina no niseho tany ? Fanontaniana apetrako aminareo namana monina any izany mba ho loharanom-baovao maro no ho renay aty Dago.

Inona ilay vaovao:
Nanomboka ny zoma 2 jaonary 2009 hariva dia niely tamin’ireo tranonkala samihafa ny fivorian’ireo “diaspora” malagasy tao Paris any Frantsa fa “hitory ny Fanjakana malagasy  amin’ny fanomezana ilay tany manana velarana 1,3 tapitrisa hekitara any amin’iny ilany atsinanan’i Madagasikara iny nomena ny Koreana Tatsimo izy ireo”. Io ilay "affaire Daewoo Logistics" efa nasian'i Jentilisa safosafon-dresaka teto ihany.

Ny Alahady 21 Desambra 2008 no nandefasako ity taratasy ity ho an'i Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina ka omeko ho vakianareo namana ihany koa.

Miarahaba anao Atoa Ben'ny Tanàna
 
"Disadisa", "savorovoro" izay no azoko ilazana ny zava-misy eto Antananarivo Renivohitra amintsika miteny izao.

Efa hita sy re ny teny nataonao amin'izay ambarana fa "tsy rariny" sy "didy jadona" atao aminao sy ny mpiara-miasa aminao amin'ny fitantanana ity Renivohitra malalantsika ity. Mino aho fa ren'ny mpitondra fanjakana isan-tokony ireny na tsy "mamaly" aza izy. Efa vita ny anjaranao!
 
Ny hevitro, ary atolotro am-pitiavana ho anao dia ity. Aza avela ho raraka an-tany ny fitokisana napetrakay taminao mba hahatanteraka ny programa izay efa nambaranao. Izany hoe "mandefera" amin'ny endri-javatra toa izao na dia misy tsy rariny aza fa tsy tiako raha PDS no hasolo anao. Olona notezaina tamin'ny fivavahana ianao ka araho izany. 
 
I Tes 5:
14. Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.
15. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
 
Manao veloma anao amin'ny anaran'ny Tompo.
 

 

Endriky ny serasera ankehitriny ny internet. Efa ela izaho no naniry ny mba hananan'ny Commune Urbaine d’Antananarivo (CUA) izany ary hinoako fa andalana izany. Ny adiresy e-mail aloha izao no efa nampahafantarina ka zaraiko aminareo namana rehetra eto.

[email protected]


Natao ho fampandraisana anjara ny rehetra mba ho fampandrosoana ny tànana izao satria mbola maro ny fanatsarana tokony hatao amin'ny renivohitry Madagasikara raha tsy hiteny afatsy ny loto, ny mpivarotra tsy manara-dàlana sns.
"Entan-jaraina tokoa mora zaka ary ny hevitra tsy azo tsy amin'ny olombelona".


Fa araka ny hevitry ny CUA dia hisy lohahevitra isam-bolana ho valian'izay manan-kevitra mikasika ny sosialy, ekonomika, politika, tontolo iainana, koltoraly, fialam-boly, fanatanjahan-tena. Amin'ity volana Desambra 2008 ity dia mikasika ny "fomba fintantanana ny vola fitia tsy mba hetra hangonina hamitana ny Lapan'ny tànana" no resaka. Manomboka ny volana Septambra 2009 io fitia tsy mba hetra io.


Manorata "tsara" ary fa tànanantsika no hasoavina.

Ity sary ity dia nalain'ny NASA tamin'ilay zanabolana HUBBLE.
Ny anarany:"Mason'Andriamanitra" na "L’OEIL DE DIEU"
Ny fisehoan-javatra toa izao dia miseho in-dray mandeha ao anatin'ny 3000 taona.
Misy milaza fa ny sary toa izao koa dia miteraka fahagaga ho an'ny fiainany ny fahitana azy.Asa anefa ny fahamarinan'izany.
Zao ary eee hevero ho mason'Andriamanitra fotsiny hoe io dia ireto teny ireto no tsarovy.
"Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony."
"Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona."
"Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, Ary mahita ny diany rehetra Izy."