« Soabika »

Fandaharana iray ao amin’ny TV Plus Madagascar miresaka fampahiazan-tena.
Voasokajy ao anatin’itony atao hoe  « Téléréalité » itony ity fandaharana « Soabika » ity.
Fifaninana eo amin’ireo vehivahy miisa 11 nahazo vatana izy io.
Natao ny Asabotsy 16 Aogositra 2008 teo ny « escale » faharoa izay hitsarana ny ezaka vitan’ny tsirairay sy hijerena izay mpifaninana be mpifidy ka mbola hijanona ao amin’ny « Château ».
Raha ampitahaina ny « escale » voalohany sy faharoa dia tsaratsara kokoa ity farany. Na teo amin’ny sary (mivantana), na ny hazavana (jiro)... Fa na izany aza mbola lava loatra (ora efatra latsaka kely ) ka mankaleo sy mampatory ny mpijery na ny tao amin’ny “gymnage” Akorondrano na ny tany an-trano.. Tsy mba ireny fandaharana fohifohy mampilendalenda ireny.
Fa izay tena nanesika ahy hanoratra ho anareo momba ity fandaharana ity dia izao ambarako anareo izao. Asa aloha raha mba nisy nanaraka ity fandaharana ity ianareo na dia izaho irery no nijery. Ahoana marina ireny “fepetra” niova tampoka ireny. Nolazaina fa hisy iray mody amin’ity “escale” faharoa ity dia izay mahazo naoty kely indrindra na ny “sms” azony na ny naoty omen’ireo "mpanazatra". Nambara tokoa ny mpifaninana mody nefa nolazaina indray fa “noho ny feon’ny mpijery” dia mbola mijanona ao amin’ny “Chateau” indray sy ny fitenenana hoe “mbola kely loatra ny 15 andro hitsarana azy ireo”.
Oadray re olona oooo. Fa iza no nanao ny fepetra no miova tampoka toa izany. “Tsy matotra” hoy ny fitenin’ny tanora ankehitriny.
Nambaran’ny mpikarakara koa (Tv Plus) fa izato nomerao izato no nahazo ny “fanomezana” ho an’ireo nandefa sms. Tsy naheno na nahita aho raha nijery io fandaharana io ka nisy ny solotenam-panjakana (Ohatra: police des jeux) nanamarina ny nahazo loka tamin’ny sms na ny vokatra azon’ny mpifaninana. Ny fahamarinana indray no tiako havoitra amin’ity fanamarihana faharoa ity.
Ekeko fa tsara ilay fandaharana satria tsy mbola nisy nanao tokoa tamin’ireo fahitalavitra Malagasy fa raha hanao ihany dia manaova ny tena “matotra”.