Inona no hiseho eto amintsika "rahampitso" ?. Hamaly angamba ianareo hoe ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eny Iavoloha (Fanjakana) sy etsy amin'ny kianja mitafo Mahamasina (CUA)! Tsy dia izay hiseho rahampitso Zoma 9 Janoary 2009 loatra no ao antsaiko raha manontany aho fa ny ho avy.

Izao mantsy no zava-misy ankehitriny ary mampanahy:
Ny zanaka (CUA) mametraka "ultimatum" ny Ray aman-dreny (Fanjakana).
Ravalomanana mandrangaranga "avertissement" an'i Andry Rajoelina.
Ny zanaka manao "ialahy" ny ray. Ny ray mandaka "fitombenana" ny zanaka.
Ny zanaka tsy te-hahalala ny rafitra an-tanantohatra ka sahy mitory ny ray amin'ny fitsarana.
Ny zanaka te-hivavaka amin'ny toerana izay tiany (Ambohijatovo) nefa tsy avelan'ny ray raha tsy ao an-trano (Kianja Mitafo Mahamasina).
Azonareo tohizana io...

Tsoan-kevitro:
Ho ahy dia samy fiteny halako na ny "Ultimatum" na ny "avertissement" satria manafina toe-tsaina mihambo sy lehibe tsy mahay milefitra. Mila ny fifampiresahan'ny roa tonta ny mponina eto Iarivo. Mila ny roa tonta mahay mifandefitra ny vahoaka eto Antananarivo.Dia ho tànana mandroso, maha te-honina, madio Antananarivontsika satria miara-miasa ny roa tonta.

Miarahaba antsika rehetra namana nahatratra indray ity taona 2009 ity. Homba antsika tsirairay tokoa Andriamanitra Ray.

Vao miandoha ny taona dia ny zava niseho tany Paris ny 1 Janoary 2009 no nisarika ny saiko. Inona marina no niseho tany ? Fanontaniana apetrako aminareo namana monina any izany mba ho loharanom-baovao maro no ho renay aty Dago.

Inona ilay vaovao:
Nanomboka ny zoma 2 jaonary 2009 hariva dia niely tamin’ireo tranonkala samihafa ny fivorian’ireo “diaspora” malagasy tao Paris any Frantsa fa “hitory ny Fanjakana malagasy  amin’ny fanomezana ilay tany manana velarana 1,3 tapitrisa hekitara any amin’iny ilany atsinanan’i Madagasikara iny nomena ny Koreana Tatsimo izy ireo”. Io ilay "affaire Daewoo Logistics" efa nasian'i Jentilisa safosafon-dresaka teto ihany.

Teto ihany fa sahirana dia izao indray vao manoratra sy hamaky ny resakareo rehetra. Nefa misy vaovao hitako ka mba entiko.

Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny prefet Antananarivo Renivohitra ny 1 Desambra 2008.Votoatin'ny tafa dia manome baiko ny ben'ny tanàna Andry Rajoelina hanangona ny fako haingana dia haingana. Ny tohan-kevitra narosony dia hoe efa misy trangana pesta hita eny Ambohimanarina amin'izao fotoana izao.Hatreo aloha raha mamaky ity lahatsoratra ity ianao dia hiteny ohatra ahy koa hoe: "ka marina kosa zany koooo!".Nefa rehefa mandinika tsara dia mbola "hoditr'akondro eeee!"

Tohiny....
-Ny olona tokony hiantefan'ny resaka (Andry Rajoelina) dia niara-naheno tamiko tamin'ny radio sy fahitalavitra ny tianay ho lazaina nefa samy miasa eny Tsimbazaza avokoa. Hihihihihihi
-Nilaza koa ny prefet fa tsy misy resaka politika izao resaka izao fa fampahatsiahivana ny andraikitry ny Ben'ny Tanàna fotsiny nefa dia ny mpanao gazety no nilazana azy voalohany. Hihihihihihi
-Nanamafy izy fa efa eny Ambohimanarina ny pesta nefa olona avy lavitra tonga nitsabo tena taty Antananarivo fa voan'ny pesta io maty io.Hihihihihihi

Raha misy havany ianareo dia mba lazao aminy fa tsy misy tsara noho ny miresaka raha te-hampandroso firenena. Ny hevitra anie tsy azo tsy amin'ny olombelona e.

Nifidy izay ho filoham-pireneny ny be kintana (Amerikana) androany Talata 4 Novambra 2008. Na Obama na McCain no ho lany Filoha.
Voalaza fa ity no fifidianana nampiasana vola be indrindra hatramin'izay. Propagandy io!.
Voalaza fa ity no fifidianana be mpifidy indrindra hatramin'izay.
Voalaza fa ity no fifidianana niavaka indrindra satria sambany vao mba nisy mainty hoditra (Obama) mety ho lany ho Filoham-pirenena.
Voalaza fa ity no fifidianana nahazoan'ireo radio sy TV vola be indrindra satria nanatobaka izany ireo kandida (Indrindra fa Obama).
Voalaza fa ity no fifidianana mety hanamarika ny "fiovana" any Etazonia raha Obama no lany satria io "fiovana" io no hevitra nitondrany ny fampielezan-keviny.
Mitodika any Etazonia ny mason'izao tontolo izao. Isika malagasy koa ao anatiny na dia tsy hanam-piovana "goavana" aty amintsika tany madinika aza ny politika Amerikana! Nefa dia miandrandra izany avokoa ny tany Afrikana  satria mana-nila avy aty ingahy Obama!!!
Raha Amerikana aho dia nifidy Obama satria fanohizana ny politikan'Ingahy Bush ihany no ataon'i McCain ka tsy tiako.Raha Amerikana aho dia efa naleviko impito mandifitr'olona ny fanavakavahana @ lafiny rehetra.Raha lany Obama dia angatahina @ Andriamanitra hahavita ny taom-piasany izy.
Niteny ny Filoha Malagasy Atoa Ravalomanana Marc fa ny "faits divers hita amin'ny gazety malagasy no mampatahotra ireo mpampiasa vola ka tsy ahatongavany eto Madagasikara".
Dia lasa ny saiko.
Hiverina ve zany ny sivana satria toa milofo mafy hampiditra ireo mpampiasa vola vahiny eto Madagasikara izao fitondrana izao nefa izy tenany no milaza ankehitriny fa tsy mety tonga izy ireo? Rehefa tapina ve ny vavan'ny gazety Malagasy dia izay no mety ahatongavany?
Dia ho sanatria koa ve ka ny feon'ny RNM sy TVM ary ny BMS irery no hany henon'ny Malagasy an-tapitrisany. Sanatria anie izany!
Zo fototra arovan'ny lalampanorenana ny fahafahana sy fahalalahana ka aleo ny gazety haneho ny heviny. Ampiharo ny làlana raha misy mihoa-pefy fa aza ny hafa no anilihana ny tsy fahaiza-manao. Sady ianareo rahateo no mitondra hoy ny Filoha!
Izahay mpamaky koa mila hevitra maro azo isafidianana fa efa nilaozan'ny toetr'andro ny "feo tokana".
Tsotra ny hevitro. Miala rehefa tsy mahavita azy.
Masiaka kely izao fa toa mitady ho voatohitohina ny "aferoko", dia ny fahafahako sy ny fahalalahako!
«Mialoha   1 2