Nody any amin’ny mandrakizay Andriamanantena Georges, ilay mpanoratra fantatry ny maro amin’ilay solona anarana hoe RADO. Maty ny Alatsinainy 15 Septambra 2008 taorian’ny aretina nahazo azy. Mandria am-piadanana Andriamanatena Georges. Ho ela velona ianao Rado.

Tsy mahay milaza ny aminy aho fa indramiko Andriamanatena Georges hanambara an’i “Rado sy ny aingam-panahiny”.
Fa mpisakaiza izahay sy i Rado. Mpisakaiza hatry ny ela. Fa tany amin’ny faha 18 taonanay tany ho any no nifankahalalanay ka mandrak’ankehitriny. Mitovy taona nahaterahana rahateo ka mora nifandray, ary iray tany niaviana ka mora nifankahazo.
Fa raha nanonona taminy ny tetiarana niaviako aho, tamin’izay, dia nilaza taminy fa taranaka Mpitandrina hatrany amin’ny razambe nisehoana. Dia ireo Mpitandrina nifandimbidimby anisan’ny nandray ny Fivavahana Kristiana hatramin’ny faha Tany Malagasy, ary taranaka faha-dimy avy amin’izy ireny. Araka izany dia nobeazina sy notezaina tamin’io finoana Kristiana io, no sady sakaizan-tsoratra amam-panadihadiana, vokatry ny fandaharan-teny efa nifandovana tamin’ireo loharano nisehoana.
Avy amin’ny lafin-dreny kosa, dia taranaka nipoitra tao an-tananan’Amboanana, dia ilay vohitra kely ao atsimon’Arivonimamo, izay nisehoan’ireo Menalamba sahy nanohitra voalohany indrindra ny Fanjanahantany teto Madagasikara. Araka izany koa dia mba nandova ny ran’ireo tia tanindrazana tsy nanaiky hozogain’ny vahiny.
Tsy namitaka ilay loharano madio ny fantsona nikorianan’ny tononkalo sy tononkira mamelombelona, ka tsy tao amin’Andriamanantena ihany no niantefa ny akony fa maro ireo mpamoron-kira fanta-daza no nandrafitra feony hifanaraka amin’ireny tononkira ireny mba hampitàna azy lavidavitra kokoa. Nangata-dàlana hanao izany ry Ramaroson Wilson, Naly Rakotofirina, Henri Ratsimbazafy, JJ Tseheno, Rivo Ramandiamanana, Bessa, MR Razafy, Fanja Andriamanantena sy ny sisa.

Ireo hiram-pivavahana koa dia nahazo toerana tao am-pon’ny mpino ka niely patrana vetivety eran’ny Nosy. Toa izany ny “Aza avela hahalala”.

Aza avela hahalala
Ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala
Na ireo maraina vao

Tsy ho takatry ny saiko
‘Zay rehetra lahatrao
Ny angatahako, ry Raiko!
Aoka aho hatoky Anao

Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny antony tomany
Efa hitako hatrizao

Aza avela hanefy
Ny ampitso ‘zay Anao
Aza avelanao handrefy
‘Zay ho fitantananao

Ivelan’ny tononkalo sy ny hiram-pivavahana koa dia nanana aingam-panahy iray, izay mpiseho amin’ny alalan’ny hosodoko i Rado. Tsapany mantsy indraindray, fa mitovy fenitra hotratrarina ny mpanoratra sy ny mpanosodoko. Mifameno ireo, fa izay mampikavihavia amin’ny soratra mety ho tonga dia voaray eo amin’ny endrika amam-bika.

Fa mba ahoana kosa, hoy ireo mpanoratra efa namaky ny aingam-panahin’i Rado ?
-Hoy i Emilson D Andriamalala: “Eto no ahitantsika ny maha Rado azy, fa tsy hafatra tsotra, tsy hafatra ara-dàlana no entiny ho an’ny firenena… hafatra ambonimbony kokoa noho izany, satria manakaiky ny fanaperana dia ny hafatry ny Fitiavana”.
-Hoy Randza Zanamihoatra: “Be ny zavatra tiako ambara momba an’ise nefa ataoko fa manampatra loatra izany. Rehefa mibosesika ny  sentiments dia manahirana ny mamintina ny hevitra. Teo am-pamakiana an’ise dia talanjona sady niaiky marimarina ny fahaizan’ise ity zavatra ity. Kivy ratsy aza aho, kanefa dia nampirisika ahy hiezaka mafy ny asan’ise”.
-Hoy i Dox Razakandraina: “Ianao dia poetin’ny Fahafahana ary mpiady ho an’izay mbola voatsindrin’ny fanjanahana. Namafisinao ny firahalahiantsika amin’ny Afrikana amin’ny hoe “Maity aho” na ao aza ny kanalin’I Mozambika izay lalina dia lalina tokoa. Ary na heveriko ho tantsinana aza isika, ny firahalahiana torianao dia firahalahian’ny olombelona rehetra. Ny fanahy no olona fa tsy ny volon-koditra akory ka misaotra anao fa hery ho an’ny voatsindry rehetra ny tononkiranao, izay miely eran’izao tontolo izao ary mahafaly fa tafiditra amin’ny fandaharam-pianarantsika. Hahita hery anie izao taranaka izao hanohy ny tolona.”

(Nalaina tao amin'ny“ZO”-takila faha 193-219)