Mitovy fa tsy sahala amin’ny savorovoro politika nisy teto Madagasikara tamin’ny 1991 ny miseho ankehitriny. Amin’izao fifampidinihana eo amin’i Ravalomanana sy Rajoelina hamahana ny krizy izao (telo andro izay) dia entiko any amin’ny taona 1991 ianareo manohana tsy misy fepetra azy roalahy ireo na izay mamaky ity lahatsoratra ity mba hanaraka ny tantara.


Tantara fohy


Nofoanana ny sivana an-gazety ny 19 Febroary 1989. Lany fanintelony ho Filohan’ny Repoblika Ratsiraka ny 12 Martsa 1989. Nanomboka teo ny fanoheran’ny mpanohitra noho ny filazana fa “hosoka” no nisy. Najoron’ny mpanohitra ny Governemanta Tetezamita ho an’ny Demokrasia (GVTD) ny 12 Aprily 1989 na dia mbola teo aza ny Governemanta ara-dalàna. Ny 19 Aprily 1989, nanao fianianana amin’ny maha Filoha vaovao azy Ratsiraka, ny “Alliance Démocratique” kosa namory olona teny Ankatso. Nanomboka tamin’io daty io ny “grève générale” teny amin’ny Kianja 13 Mey. Ny fahatongavan’ny Papa Joany Paoly faha-2 (28 Aprily 1989) sy ny Prezida Frantsay Fracois Mitterand (14 Jona 1990) teto Madagasikara dia nanokatra fahalalahana teo amin’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Namory indroa miantoana ny Hery Velona  eto amin’ny Firenena ny FFKM ny 16-19 Aogositra 1990 sy ny 5-9 Desambra 1990. Noravan-dRatsiraka ny Governemanta Ramahatra ny 28 Jolay 1991 ka niantso ny mpanohitra izy hanangana ny Governemanta firaisam-pirenena izay hanomana lalam-panorenana sy lalam-pifidianana vaovao ary fifidianana. Tsy nanaiky izany ny “Hery Velona” teo amin’ny Kianja 13 Mey fa ny fialan-dRatsiraka no vaha olana ka dia nanomana ny “Diabe” na ny “Filaharamben’ny Fahafahana” teny Iavoloha ny 10 Aogositra 1991. Tao amin’ny Hotel Panorama ny 29, 30, 31 Oktobra 1991 no nivory ny an-daniny roa dia ny Hery Velona (HV) sy ny Mandatehezana Miaro ny Sosialisma Malagasy (MMSM) natrehin’ny FFKM ka namoaka ny “Convention du 31 Octobre 1991”.


Votoatin’ilay Convention


Mijanona ho Filohan’ny Repoblika Ratsiraka fa noferana ny fahefany
Natsahatra amin’ny asany ny Conseil Suprême de la Révolution (CSR) sy ny Assemblée Nationale Populaire (ANP)
Mijanona ho Praiminisitra Razanamasy fa mandrafitra kosa Governemanta firaisam-pirenena
Notendrena ho Filohan’ny Haute Autorité de l’Etat (HAE) Zafy
Misy mpikambana 31 ny HAE ka avy amin’ny HV sy MMSM ary ny FFKM
Najoro ny Comité pour le Redressement Economique et Social (CRES)
Misy mpikambana 130 ny CRES ka tendren’ny Praiminisitra avy amin’ny tolo-kevitry ny HV sy MMSM ary FFKM
Namboarina ny firafitry ny Haute Cour Constitutionnelle (HCC) ka 4 tendren’ny Filohan’ny Repoblika, 5 tendren’ny HAE, 2 tendren’ny Praiminisitra
Ireo nanao sonia ny Convention dia niantso ny Vahoaka Malagasy rehetra mba ho tony sy hiara-hiezaka hanarenana ny Firenena, hampandrosoana hatrany ny toe-karena, ny fahafahana, ny demokrasia ary ny firaisam-pirenena

Nampiravona ny savorovoro nisy tamin’ny 1991 io Convention io ary inoako fa avy amin’Andriamanitra ihany koa. Am-bava homana am-po mieritreritra.