Tsy mahay mandray lesona avy amin’ny tantara isika Malagasy. Indrisy !!

Taona 1972, 1991, 2002, 2009 dia sasatry ny nandrava sy nandrodana ary manangana hatrany isika Malagasy. Tsy mandroso anefa isika amin’izany fa mihemotra foana. Menatra mahita ny fandrosoan’ny toe-karen’ireo Nosy kely aty amin’ny fari-dranomasin’ny Oseana Indiana misy antsika (Maurice, La Reunion,..)

Firenena voahozona ve isika sa diso mitady ny manganana ka mahita ny afero lava ?

Ny fahapotehan’ny toe-karena tamin’ireo vanim-potoana voalazako eo ambony ireo dia lesona omen’ny tantara antsika fa tsy tokony hatao ary ialana toy ny fasam-bao ny "fikomiana".

Ny toe-tsain’ny mpitondra tia tena sy manjakazaka ary manao kely tsy mba mamindro dia lesona omen’ny tantara antsika fa fahalovana mambotry vahoaka.

Efa hita fa nahafatesana olona maro hatrany ny fampijoroana “governemanta mpikomiana” (Gouvernement insurrectionnel) sy “fanambaran-tena ho mpitondra” (Autoproclamation) dia lesona omen’ny tantara antsika fa tsy mahasoa.

Nahoana ary no miverina hatrany ny tantaran-tsika ?

Tsy ny fitakiana tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009 velively akory no tsy MARINA sy MAZAVA fa izay mahazo fitondrana dia minia manadino izany fitakiana maha olona izany (Tanindrazana, Fahafahana, Fandrosoana).

Ny fanehoan-kevitro teto hatramin’izay dia ny fandalana hatrany ny fifampiresahana (Dialogue) eo amin’ny samy olombelona, fa indrindra ny samy Malagasy. Tsy biby isika ka hifandramatra na hifanoto.
Ankoatra izay dia tsarovy fa “ho voaozona izay olona matoky olona” (Jeremia 17: 5a) fa “hotahina kosa izay olona matoky an’i Jehovah” (Jeremia 17: 7a).