Nafohezina ny dia nataon'ny Filoha Ravalomanana tany Afrika Atsimo ka tonga teto an-tanindrazana izy ny Alahady 25 Janoary 2009 tamin'ny 4 ora tany. Vahoaka maro no nitsena azy teny Ivato. Nandrasan'ny rehetra ny ho valin-kafatra ho an'Ingahy Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina nangataka ny hialan'ny governemanta Rabemananjara.

Hoy Ingahy Ravalomanana:"Mahatezitra ahy ary tsy andeferako mihitsy ny fanitsakitsahana ny lalam-panorenana, izay niaianako tamin'ny vahoaka sy Andriamanitra, ataon'ny Andry Rajoelina" raha fintinina. Nanome baiko ny Praiminisitra izy hanandray ny andraikiny.

Namaly avy hatrany ny Ben'ny Tanàna raha vita ny valan-dresaka nataony ka nilaza fa "mbola minia manampin-tsofina ny Filoha ka tsy miova ny fotoana eny amin'ny kianjan'ny 13 Mey".

Ny alin'io Alahady 25 Janoary io tokony tamin'ny 3 ora maraina tany dia niakatra teny Ambohimitsimbina (misy ny emetteur ny Radio Viva) ireo commando Afrikana Tatsimo netin'ny Filoha, nandrava ny andrimasom-pokonolona sy nanongotra ka namotika ny emetteur.

Anio Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia tonga maro teo amin'ny "Kianjan'ny 13 Mey" Analakely notarihin'ny Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina ireo mpankasitraka azy sy ny mpihainohaino rehetra. Hoy izy:"Miala eto isika izao dia mandeha eny amin'ny lapan'ny Fitsarana hamoaka ireo mpianatra nosamborina, avy eo mankeny Digue mampitsahatra ny asa eny satria tsy nahazoana alalana avy amin'ny Ben'ny Tanàna io".

Roso ny dia fa indrisy nampalahelo ny zava-niseho:
May ny RNM sy TVM. May ny MBS. May ny MAGRO rehetra.May ny tranon'i Mox Ramandimbilahatra.Maty ny roa tamin'ireo mpanaraka ny Andry Rajoelina....
Miverina ve ny tantara tamin'ny 2002 araka ny voalazan'ny Gazety iray sa ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ? Araho ny tantara!


 

Mazava ny tenin'ny Ben'ny Tanàna Antananarivo Renivohitra Andry Rajoelina tetsy amin'ny Kianjan'ny Demokrasia (Ambohijatovo) sy teo amin'ny Kiajan'ny 13 Mey (Analakely) androany Sabotsy 24 Janoary 2009:"Miala ny governemanta Rabemananjara".

Nanohy ny teniny ny "Zandrikely":"Vonona hitantana ny tetezamita ny tenako Andry Rajoelina". "Rehefa isika no mitantana dia hamidy avy hatrany ny fiaramanidina "Air Force One II".  "Manomboka amin'ny Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia mifamontoana eto amin'ny "Kianjan'ny 13 Mey" amin'izay isika mandram-pialan'ny governemanta". Hoby, tehaka, sioka, horakoraka tsy ifandrenesana no nanakoako. "Sao hisy hilaza indray amin'ny gazety rahampitso fa manongam-panjakana i Andry Rajoelina: tsia tsy manongam-panjakana isika fa ny vahoaka no nametraka ny mpitondra dia izy ihany no manala"."Tokony hahay haka lesona ny mpitondra".

Maro ny zava-boalaza androany fa nasongadiko ireo teny ireo.
Omeko anareo ny sary nalaiko tamin'izany "andro iray manan-tantara" izany mba ho aingon'izao lahatsoratro izao.

Fanamarihana:

- Jereo ity lahatsoratra ity "Cohabitations". Raha ny Ben'ny Tanàna sy ny Filoha no voaresako, hay ilay ohatra noraisiko no ho tanteraka (Président sy Premier Ministre) ??

- Sary nalain'ny tebokaefatra

Inona no hiseho eo amin’ny « Kianjan’ny Demokrasia » Ambohijatovo rahampitso Asabotsy 17 Janoary 2009, amin’ny fotoana hanokanana izany kianja izany ?. Ho tonga maro hanohina ny antson’ny Ben’ny Tanàna Andry Rajoelina ve ny olona ? Hirongo fitaovam-piadiana hanakana izany ve ny mpitandro filaminana ? Iza no ho voasambotra sy higadra ? Hisy maty sy maratra ve ? Hizotra araka izay nieritreretan’ny Ben’ny Tanàna azy ve ka hody am-pilaminana ny rehetra ?…..Eo anoloan’izany fanontaniana tsy ahitam-baliny mazava izany dia aleo ny fotoana ho avy no hamaly azy.
Ny zava-misy eo amin’ny Ravalomanana sy Rajoelina izao dia mampahatsiahy ahy ny zava-nisy teo amin’ny Francois Mitterrand (Parti Socialiste) sy Jacques Chirac (RPR), teo amin’ny Jacques Chirac sy Lionel Jospin (Parti Socialiste), teo amin’ny Didier Ratsiraka (Arema) sy Marc Ravalomanana (Tiako Iarivo)…
Inona no tiako holazaina: olona tsy iray antoko ireo fa samy nanana ny azy, sy samy nanana ny andraikiny nefa noteren’ny vahoaka (fifidianana) hiara-hiasa. Io ilay antsoina hoe “cohabitations”. Ny « cohabitations » tsy midika hoe foana ny maha izy azy ny tsirairay fa rehefa tombotsoa iombonana kosa dia iraisana sy mifanome tànana, alevina ny fifandirana sy tsy fitovian-kevitra. Mila fahaizana « diplomatie » io.
Samy Frantsay ary samy Malagasy ireo ohatra noraisiko teo ambony ireo ka mahaiza miara-monina sy miara-miasa ary maka tahaka ry Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.

Inona no hiseho eto amintsika "rahampitso" ?. Hamaly angamba ianareo hoe ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eny Iavoloha (Fanjakana) sy etsy amin'ny kianja mitafo Mahamasina (CUA)! Tsy dia izay hiseho rahampitso Zoma 9 Janoary 2009 loatra no ao antsaiko raha manontany aho fa ny ho avy.

Izao mantsy no zava-misy ankehitriny ary mampanahy:
Ny zanaka (CUA) mametraka "ultimatum" ny Ray aman-dreny (Fanjakana).
Ravalomanana mandrangaranga "avertissement" an'i Andry Rajoelina.
Ny zanaka manao "ialahy" ny ray. Ny ray mandaka "fitombenana" ny zanaka.
Ny zanaka tsy te-hahalala ny rafitra an-tanantohatra ka sahy mitory ny ray amin'ny fitsarana.
Ny zanaka te-hivavaka amin'ny toerana izay tiany (Ambohijatovo) nefa tsy avelan'ny ray raha tsy ao an-trano (Kianja Mitafo Mahamasina).
Azonareo tohizana io...

Tsoan-kevitro:
Ho ahy dia samy fiteny halako na ny "Ultimatum" na ny "avertissement" satria manafina toe-tsaina mihambo sy lehibe tsy mahay milefitra. Mila ny fifampiresahan'ny roa tonta ny mponina eto Iarivo. Mila ny roa tonta mahay mifandefitra ny vahoaka eto Antananarivo.Dia ho tànana mandroso, maha te-honina, madio Antananarivontsika satria miara-miasa ny roa tonta.

Miarahaba antsika rehetra namana nahatratra indray ity taona 2009 ity. Homba antsika tsirairay tokoa Andriamanitra Ray.

Vao miandoha ny taona dia ny zava niseho tany Paris ny 1 Janoary 2009 no nisarika ny saiko. Inona marina no niseho tany ? Fanontaniana apetrako aminareo namana monina any izany mba ho loharanom-baovao maro no ho renay aty Dago.

Inona ilay vaovao:
Nanomboka ny zoma 2 jaonary 2009 hariva dia niely tamin’ireo tranonkala samihafa ny fivorian’ireo “diaspora” malagasy tao Paris any Frantsa fa “hitory ny Fanjakana malagasy  amin’ny fanomezana ilay tany manana velarana 1,3 tapitrisa hekitara any amin’iny ilany atsinanan’i Madagasikara iny nomena ny Koreana Tatsimo izy ireo”. Io ilay "affaire Daewoo Logistics" efa nasian'i Jentilisa safosafon-dresaka teto ihany.