22 Desambra, 2008 14:46
Taratasy misokatra ho an' i Andry Rajoelina
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Ankapobeny ][ (24) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Ny Alahady 21 Desambra 2008 no nandefasako ity taratasy ity ho an'i Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina ka omeko ho vakianareo namana ihany koa.
Miarahaba anao Atoa Ben'ny Tanàna
"Disadisa", "savorovoro" izay no azoko ilazana ny zava-misy eto Antananarivo Renivohitra amintsika miteny izao.
Efa hita sy re ny teny nataonao amin'izay ambarana fa "tsy rariny" sy "didy jadona" atao aminao sy ny mpiara-miasa aminao amin'ny fitantanana ity Renivohitra malalantsika ity. Mino aho fa ren'ny mpitondra fanjakana isan-tokony ireny na tsy "mamaly" aza izy. Efa vita ny anjaranao!
Ny hevitro, ary atolotro am-pitiavana ho anao dia ity. Aza avela ho raraka an-tany ny fitokisana napetrakay taminao mba hahatanteraka ny programa izay efa nambaranao. Izany hoe "mandefera" amin'ny endri-javatra toa izao na dia misy tsy rariny aza fa tsy tiako raha PDS no hasolo anao. Olona notezaina tamin'ny fivavahana ianao ka araho izany.
I Tes 5:
14. Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.
15. Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
Manao veloma anao amin'ny anaran'ny Tompo.
22/12/2008, 16:20
Misaotra anao tena tsara be tokoa izao taratasy nalefanao izao ary hinoako fa hihaino anao izy fa tsy hanao be mokon-doha oh ilay rangahy iray ity
22/12/2008, 17:44
Marina zany.
(diso ilay daty, alahady 21 fa tsy 20 desambra)
23/12/2008, 00:37
tay G ve?
23/12/2008, 00:43
tay G v?
23/12/2008, 00:46
TGV aho hoe.....na ombintsarety aza mbola mery mandeha
23/12/2008, 00:54
ben ny tanana aho hoe...be lohan ny tanana ngamba ny tena marina e...
23/12/2008, 00:58
de ahoana ty tanan maloto beuhh ity e ?iza no hanadio an io ?
23/12/2008, 11:40
angaha ny maire no mmanadio ny tanana misy anao ??? ny milieu public no anjarany fa tsy ny tanana misy anao ...ny tsirairay no tokony handio ny faritra misy azy raha tena tia tanindrazana
23/12/2008, 12:25
Ny olana @'Ingahy Andry TGV, mbola variana mampiditra voyageurs ratsirakistes ...De tara départ...ny ahiako ilaozan'ny omby mihahaka
23/12/2008, 13:14
>>>> Ho anareo tsy mitovy hevitra amiko. Aposahy ny hevitra fa aza miteniteny foana.
23/12/2008, 13:16
>>>> Tsy misy afatsy ny fanalà na ny mpivarotra amoron-dalana ihany ary hatrany no mampahadio ny tanà nantsika. Satria ny 80% ny fako dia avy amin'izy ireo. Sady tsy mando hetra nefa mandoto. Mety ianao io anie zany eeeeee hihihihi
23/12/2008, 14:10
M. Teboka Efatra... fa aiza ary nareo zany! TGV anie nanao programa fa tsy nieritreritra ny hamita azy e!! Enao koa tena to matory marina. Ohatran'ny karazan'ny bonaika be anie ianao zany e. Mba mifohaza fa aza manao toe-tsaina toy izany
23/12/2008, 14:30
Aza mahay vava fa samy tompon'andraikitra avokoa ianareo rehetra ao Antananarivo renivohitra ao.
23/12/2008, 14:32
Aza mahay vava fa samy tompon'andraikitra avokoa ianareo rehetra ao Antananarivo renivohitra ao.
23/12/2008, 14:32
Aza mahay vava fa samy tompon'andraikitra avokoa ianareo rehetra ao Antananarivo renivohitra ao.
23/12/2008, 18:29
tena teribe ny sainy ny mpiady hevitra ato izany!
24/12/2008, 08:08
news2dago>>>
Raha tery fotsiny moa haninona fa mbola azoazo ihany izany fa toa tsy misy saina mihitsy ireo.
Raha ny fijeriko manokana dia tantara miverina io e, raha mahatadidy isika hoe ahoana moa ny fanombohany tamin'ny taona 2001, izay niafara tamin'ireny raharaha 2002 ireny.
Qui le sait? Sans se rendre compte, le pouvoir actuel va lui faire un martyr, et nous le savons tous, nous les malgaches, nous avons vraiment un faible pour les martyrs.
L'histoire qui en jugera.
24/12/2008, 16:20
Miarahaba ny maire Antananarivo .
Aoka isika rehetra miteny eto ahalala fa isika anie tompon`andrikitra amin`ny faitra misy antsika amnin`ny fanadiovana e fa tsy ingahy maire akory no andeha hanadio , ny zavatra hitako de isika manan toe-tsaina hafhafa , jerenay vietnam aty marina na amerika aza raha tsara noho izy satria nahoana samy mandray andraikitra daholo ny olom-pirenena rehetra na amin`ny inona na amin`ny inona io , ny zaridaina tsara tarehy ny lalana vita tsara ny fianan`ny vahoaka ankapobeny milamina ary isika jereo fotsiny ny lalana eny amin`ny 67ha vao vita vao haingana iny , ny voninkazo ambolen`ny fanjakana misy maka ka izany no hatonga an`antaninarenina ambesana sao misy maka ny rozy eo , ny kaka sy pipy tsy lazaina intsony , mahonena ny toe-tsintsika e
24/12/2008, 16:20
Miarahaba ny maire Antananarivo .
Aoka isika rehetra miteny eto ahalala fa isika anie tompon`andrikitra amin`ny faitra misy antsika amnin`ny fanadiovana e fa tsy ingahy maire akory no andeha hanadio , ny zavatra hitako de isika manan toe-tsaina hafhafa , jerenay vietnam aty marina na amerika aza raha tsara noho izy satria nahoana samy mandray andraikitra daholo ny olom-pirenena rehetra na amin`ny inona na amin`ny inona io , ny zaridaina tsara tarehy ny lalana vita tsara ny fianan`ny vahoaka ankapobeny milamina ary isika jereo fotsiny ny lalana eny amin`ny 67ha vao vita vao haingana iny , ny voninkazo ambolen`ny fanjakana misy maka ka izany no hatonga an`antaninarenina ambesana sao misy maka ny rozy eo , ny kaka sy pipy tsy lazaina intsony , mahonena ny toe-tsaintsika e
24/12/2008, 17:12
>>>>Ruddy.Marina ny voalazanao! Mifa fanabeazana ny fitiavana fahadiovana sy filaminana ary ny tsara. Tsy tsara halaina ho anao na angalarina akory fa mihanoka aminy(hainareo ve ny dikany ?) na maka fy !
>>>>Samia tratry ny Krismasy feno fifaliana mahasoa eee