24 Febroary, 2009 14:11
Tsy maintsy misy vaha olana ny krizy
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Politika ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mitovy fa tsy sahala amin’ny savorovoro politika nisy teto Madagasikara tamin’ny 1991 ny miseho ankehitriny. Amin’izao fifampidinihana eo amin’i Ravalomanana sy Rajoelina hamahana ny krizy izao (telo andro izay) dia entiko any amin’ny taona 1991 ianareo manohana tsy misy fepetra azy roalahy ireo na izay mamaky ity lahatsoratra ity mba hanaraka ny tantara.
Tantara fohy
Nofoanana ny sivana an-gazety ny 19 Febroary 1989. Lany fanintelony ho Filohan’ny Repoblika Ratsiraka ny 12 Martsa 1989. Nanomboka teo ny fanoheran’ny mpanohitra noho ny filazana fa “hosoka” no nisy. Najoron’ny mpanohitra ny Governemanta Tetezamita ho an’ny Demokrasia (GVTD) ny 12 Aprily 1989 na dia mbola teo aza ny Governemanta ara-dalàna. Ny 19 Aprily 1989, nanao fianianana amin’ny maha Filoha vaovao azy Ratsiraka, ny “Alliance Démocratique” kosa namory olona teny Ankatso. Nanomboka tamin’io daty io ny “grève générale” teny amin’ny Kianja 13 Mey. Ny fahatongavan’ny Papa Joany Paoly faha-2 (28 Aprily 1989) sy ny Prezida Frantsay Fracois Mitterand (14 Jona 1990) teto Madagasikara dia nanokatra fahalalahana teo amin’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Namory indroa miantoana ny Hery Velona eto amin’ny Firenena ny FFKM ny 16-19 Aogositra 1990 sy ny 5-9 Desambra 1990. Noravan-dRatsiraka ny Governemanta Ramahatra ny 28 Jolay 1991 ka niantso ny mpanohitra izy hanangana ny Governemanta firaisam-pirenena izay hanomana lalam-panorenana sy lalam-pifidianana vaovao ary fifidianana. Tsy nanaiky izany ny “Hery Velona” teo amin’ny Kianja 13 Mey fa ny fialan-dRatsiraka no vaha olana ka dia nanomana ny “Diabe” na ny “Filaharamben’ny Fahafahana” teny Iavoloha ny 10 Aogositra 1991. Tao amin’ny Hotel Panorama ny 29, 30, 31 Oktobra 1991 no nivory ny an-daniny roa dia ny Hery Velona (HV) sy ny Mandatehezana Miaro ny Sosialisma Malagasy (MMSM) natrehin’ny FFKM ka namoaka ny “Convention du 31 Octobre 1991”.
Votoatin’ilay Convention
Mijanona ho Filohan’ny Repoblika Ratsiraka fa noferana ny fahefany
Natsahatra amin’ny asany ny Conseil Suprême de la Révolution (CSR) sy ny Assemblée Nationale Populaire (ANP)
Mijanona ho Praiminisitra Razanamasy fa mandrafitra kosa Governemanta firaisam-pirenena
Notendrena ho Filohan’ny Haute Autorité de l’Etat (HAE) Zafy
Misy mpikambana 31 ny HAE ka avy amin’ny HV sy MMSM ary ny FFKM
Najoro ny Comité pour le Redressement Economique et Social (CRES)
Misy mpikambana 130 ny CRES ka tendren’ny Praiminisitra avy amin’ny tolo-kevitry ny HV sy MMSM ary FFKM
Namboarina ny firafitry ny Haute Cour Constitutionnelle (HCC) ka 4 tendren’ny Filohan’ny Repoblika, 5 tendren’ny HAE, 2 tendren’ny Praiminisitra
Ireo nanao sonia ny Convention dia niantso ny Vahoaka Malagasy rehetra mba ho tony sy hiara-hiezaka hanarenana ny Firenena, hampandrosoana hatrany ny toe-karena, ny fahafahana, ny demokrasia ary ny firaisam-pirenena
Nampiravona ny savorovoro nisy tamin’ny 1991 io Convention io ary inoako fa avy amin’Andriamanitra ihany koa. Am-bava homana am-po mieritreritra.





24/02/2009, 17:14
Misaotra betsaka an'i Tebokaefatra nampatsiahy ny tantara.
24/02/2009, 17:26
Misaotra anao niezaka nanazava araka ny tantara ihany koa ny zava-misy ankehitriny. Misy ihany ny fahasamihafana teo amin'ny tantara izay natsidikao sy ny zavamisy ankehitriny. Nalaza tokoa ny GVTD tamin'ny 1989 saingy izao, nitsaha-ketrika izy io rehefa nitsidika teto ny Papa. Maty momoka izany ny "tolona" tamin'io fotoana io. Manaraka izany dia fitakiana no natao tamin'io fotoana io fa tsy nisy ny fanendrena hoe i ranona izatsy tendrena ho minisitry ny anona na anona. Fitakiana noho izany ilay governemanta tetezamita fa tsy mbola nisy ny nanangana governemanta mirazotra tamin'ny 1989. Ny ankehitriny indray, efa miomana fatratra ny handraisana ny vovonana indroa miantoana eto Madagasikara (Afrikana sy Miteny Frantsay) ny fitondram-panjakana malagasy ka raha tontosa ireo vovonana roa ireo dia hahazo hery ny fitondrana ka hitsaha-ketrika ihany koa ny tolona raha vita ireo vao "hihetsika". Noho izany, mialoha ireo fotoana ireo no tsy maintsy "mitaky ny demaokrasia".
Manaraka izany, taorian'ny fihaonam-bem-pirenena indroa miantoana nokarakarain'ny FFKM, ka nisiana volavolan-kevitra avy amin'izany no nijoro indray ny 4M tamin'ny 1991 (4M : Monja Jaona, Manandafy Rakotonirina, Marojama Razanabahiny ary Mahitsison Richard Andriamanjato) handrava ny mandan'i Jerikô. Efa nisy ihany izany ny volavolan-kevitra navoakan'ny fihaonam-bem-pirenena vao nihetsika ho toy ny "mpitondra" ireo volavolan-kevitra ireo ny mpanohitra. Ny ankehitriny kosa, efa voalaza ihany fa hanomana karazana fihaonam-bem-pirenena tahaka ny tamin'ny 18 taona lasa ny FFKM saingy "tsy nahandry" izany intsony ny tolona ankehitriny, hany ka na be mpanaraka aza tamin'ny voalohany ny tolona dia nampisalasala ny maro ihany ny "fandrobana" sy ny "fandoroana" nanaraka ny tolona. Fitokisana olona iray, tahaka ny tamin'ny 2001 - 2002, no nisy amin'izao fotoana izao, saingy ny mahasamihafa azy dia tsy tanaty vanim-potoana fifidianana filoham-pirenena ilay misy ankehitriny. Sarotra ve ny niandry ilay fihaonam-bem-pirenena hokarakarain'ny FFKM izay tokony hanasana ny ankolafin-kery maro fa tsy ankolafy roa monja tahaka ny ankehitriny ka mahatonga ny hafa tsy manaiky fa ireo olona roa ireo ihany no tokony hifanaraka? Sa mampanahy fa miha-antomotra loatra ny vovonana roa izay efa voalazako etsy ambony ihany? Amiko noho izany raha tena tiana tokoa ny hamahana ny olana dia tsy izay mivoaka avy amin'ny roa tonta amin'izao fotoana izao no andrasana fa fiantsoana mihitsy ny "Hery velona" rehetra ao anaty filaminana ihany koa fa tsy anaty korontana izay karazana takalon'ainan'ny horohoro ampanjakaina amin'izao fotoana izao sy anaovana kendaroroka ny toe-karena malagasy amin'izao fotoana izao.
Manaraka izany, fanerena avy amin'ny miaramila no nahatafavoahan'ny "Fifanarahana tamin'ny 31 oktobra 1991" satria: (1) nikatso tanteraka ny mashinina administratifa tamin'izany fotoana izany satria tsy nisy mpiasam-panjakana niasa mihitsy tamin'izany fotoana izany, nefa ny ankehitriny dia saiky miasa avokoa ny mpiasam-panjakana ary horohoro noho ny mety hisian'ny fandrobana na fidirana tranom-panjakana an-keriny ihany no mampikatona ireny biraom-panjakana ireny indraindray. (2) Rava tanteraka ny fanadinana ara-panjakana (BaCCalauréat) tamin'io fotoana io satria tsy nanaiky ny hanatontosa izany ny mpianatra teto Antananarivo. Ny nisy ankehitriny kosa dia fampihorohoroana ny sekoly avy amin'ny "mpitolona" no nampikatona ny sekoly "indraindray" ihany koa...(3) nahakatso tanteraka ny fandehan'ny raharaha teto Madagasikara ny "Hery Velona" tamin'ny 1991 nefa tsy nety nahazo ny fahefana mihitsy ary any amin'ny fitondram-panjakana ny "fahefana" saingy tsy afa-nibaiko ny mpiasam-panjakana mihitsy ry zareo; ny ankehitriny kosa tsy nahakatso ny fiainam-pirenena mihitsy ny TGV nefa sady any amin'ny fitondram-panjakana ny fahefana no voabaikony ny mpiasam-panjakana. Noho izany, sarotra inoana izany fitondram-panjakana hilefitra izany amin'ny endriny ankehitriny. Averiko indray, tsy hoavy amin'ny fihaonan'ny roa tonta amin'izao fotoana izao mihitsy no hisian'ny vahaolana.(4) Sarotra manko ny miteny mivantana hoe resy ny tolona, raha ny amin'izao fotoana izao no jerena; sady tsy hahazo tombony amin'ny fandehan'ny fotoana na oviana na oviana ny TGV, ny miaramila ihany koa tsy hanaiky ho afa-baraka ho resy tosika ho toy ny tamin'ny alakamisy 19 febroary 2009 teo fa hampihatra ny lalàna amin'izay, sady ho fahafaham-baraka faharoa ho an'ny miaramila indray ny efa karazana fampitandremana mety hihavian'ny miaramilan'ny SADC rehefa tsy hihetsika ny mpitandro ny filaminana Malagasy. Noho izany, manana ahiahy aho fa tsy hanaiky moramora izay mety ho fiverenan'ny TGV eny amin'ny kianjan'ny 13 mey intsony ry zareo hanaporofoana amin'ny any ivelany fa vitany tsy mila hery vahiny ny raharaha eto ary eo ao hivandravandra eo anatrehan'ny rehetra fa resy ny tolona.
Noho izany, araka ny eritreritro, tsy ny fitakiana ny governemanta tetezamita izay asesiky ny TGV amin'izao fotoana izao velively no tokony hotakian'i Andry Rajoelina ka hialan'ny governemanta mijoro ara-dalàna fa ny hanatontosan'ny FFKM amin'ny volana martsa 2009 io ny fihaonam-bem-pirenena karakarain'ny FFKM ka ny fanjakana no miantoka ny fanatontosana azy ary tokony eken'ny mpitondra fanjakana ny tapaka avy eo, na ravana ny antenimieram-pirenena dia tontosaina ny fifidianana depiote vaovao araka izay efa nolazaiko tamin'ny lahatsoratro ihany. Any ianao vao mitaky ny tetezamita rehefa resy lahatra ny rehetra fa ilaina izany. Tsarovy fa na dia efa nisy aza ny fihaonam-bem-pirenena indroa miantoana efa nolazainao dia mbola nasiana ihany ny fihaonam-bem-pirenena tamin'ny tapany faharoan'ny volana martsa 1992.
Farany, misaotra anao nampahatsiahy ny tantara ary mahavariana ny fanananao daty voafaritra mihitsy!
jentilisa, 24 marsa 2009
25/02/2009, 00:38
Ho fanamarihana momba ny lahatsoratr'i tebokaefatra : Ny hery velona fony faha taona 90, na dia nitaky ny hialan-dratsiraka aza, dia dia tsy mbola nisy olona sahy nilaza tena ho filoha mihitsy tamin'izany (noho ny fanarahan-dalàna). Rehefa nilahatra (fa tsy nanakorontana), sy nahazo ny fon'ny be sy ny maro koa ry zareo (noho ilay fanarahan-dalàna) dia neken'ny maro ny hitantanan'i Zafy ny HAE, ary dia nilamina ny raharaha. Nisy fiaraha-miasan'ny olona tsy mitovy hevitra (cohabitations). Avy farany, tamin'ny 1993, dia nisy fifidianana" izay nahalany an'i Zafy.
Ny maty t@ 10 août moa dia tsisy tohiny mihitsy, ary tsy nampisy pentina akory ny "casier judiciaire"n-dRatsiraka.
Noho ireo dia tsindriko tokoa ny teninao hoe : tsara ny miverina "manaraka ny tantara". Ny hany anampiako azy dia ny hoe :
- "tsara kokoa ny tsy mamerina intsony izay fomba tsy nahomby" : dia ilay fikasàna hanongam-panjakana sy fianihan-dapa. Ary
- "tsara ny maka tahaka izay vahaolana nahomby" : dia ny fifampiresahan'ny hery rehetra, ary fiandrasana fifidianana.
Ny mbola averiko hatrany dia ny hoe : izaho izay miteny dia tsy pro-ravalomanana, ary tsy mankasitraka velively ny fomba fitondrany (tsy fisian'ny demokrasia, ny tsy fitsinjovana ny ankamaroan'ny malagasy). Na izany aza dia tsy ekeko ilay fomba fiadin'i Andry.
26/02/2009, 01:21
Fototry ny olana dia ny tsy fisian'ireto:
Loi sur la Liberté d'expression
Loi sur l'opposition :
-droit de contradiction
-statut de l'opposition
Loi sur la concurrence
-marché
-masse média
-sns...
dia Mila mahay politika ny malagasy fa manjary mora fitahana (Ny malagasy tsirairay mila mahay politique(éducation)
VAHAOLANA tonga dia atao ireo points telo ireo dia ilaina Governemanta mahavaha ireo olana ireo Mila mifanantona ny mpanao politika fa tsy misy tokony hidiran'ny tsy mpanao politika mihitsy FFKM mandamina fotsiny dia tokony hiala ny société Civil tsy misy ilana izany satria vahaolana ara-politika no ilaina satria olana politika no misy