02 Febroary, 2009 09:58
Lesona omen’ny tantara
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Politika ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Tsy mahay mandray lesona avy amin’ny tantara isika Malagasy. Indrisy !!
Taona 1972, 1991, 2002, 2009 dia sasatry ny nandrava sy nandrodana ary manangana hatrany isika Malagasy. Tsy mandroso anefa isika amin’izany fa mihemotra foana. Menatra mahita ny fandrosoan’ny toe-karen’ireo Nosy kely aty amin’ny fari-dranomasin’ny Oseana Indiana misy antsika (Maurice, La Reunion,..)
Firenena voahozona ve isika sa diso mitady ny manganana ka mahita ny afero lava ?
Ny fahapotehan’ny toe-karena tamin’ireo vanim-potoana voalazako eo ambony ireo dia lesona omen’ny tantara antsika fa tsy tokony hatao ary ialana toy ny fasam-bao ny "fikomiana".
Ny toe-tsain’ny mpitondra tia tena sy manjakazaka ary manao kely tsy mba mamindro dia lesona omen’ny tantara antsika fa fahalovana mambotry vahoaka.
Efa hita fa nahafatesana olona maro hatrany ny fampijoroana “governemanta mpikomiana” (Gouvernement insurrectionnel) sy “fanambaran-tena ho mpitondra” (Autoproclamation) dia lesona omen’ny tantara antsika fa tsy mahasoa.
Nahoana ary no miverina hatrany ny tantaran-tsika ?
Tsy ny fitakiana tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009 velively akory no tsy MARINA sy MAZAVA fa izay mahazo fitondrana dia minia manadino izany fitakiana maha olona izany (Tanindrazana, Fahafahana, Fandrosoana).
Ny fanehoan-kevitro teto hatramin’izay dia ny fandalana hatrany ny fifampiresahana (Dialogue) eo amin’ny samy olombelona, fa indrindra ny samy Malagasy. Tsy biby isika ka hifandramatra na hifanoto.
Ankoatra izay dia tsarovy fa “ho voaozona izay olona matoky olona” (Jeremia 17: 5a) fa “hotahina kosa izay olona matoky an’i Jehovah” (Jeremia 17: 7a).






02/02/2009, 12:17
Mampihetsi-po sy mahafinaritra ny mahita an'i Monsieur le président sy Monsieur le maire mifandray tànana. Sady samy mitsikitsiky! Raha mba tsikitsiky lava ôtrizao mantsy no nataonareo hatr@zay an!!!
02/02/2009, 12:45
Andry V = joko tsoriaka maha-sambo-kary no type-n'olona manafin-tay an-tsalaka!
Ho ela V ny Tonga Dia V e!
02/02/2009, 14:41
I got here from a google search about tantara but can't understand nothing what language do you write in? Tried google translate and couldn't get a translation.
03/02/2009, 03:03
de ahoana zany izao ireo mpanao gazety,radio,télé nanara dia an i tgv ireo?
nihezaka namilafila sy namafy lainga ary namendrofendro ery tamin ireny andro ireny,lazaina fa "fitondrana efa mirodana ho azy,tranombarotra may ohatran ny tompony,......"hoy ny radio don bosco,aiza anefa izao?
tsy mahatsiaro ho afa baraka ve nareo amin izao,
ny radio:R.D.B(radio don bosco)radio viva,radio antsiva,ECEEM radio,ma fm
ny tele:viva,ma tv
ny gazety:midi madagasikara,telonohorefy,gazetiko,malaza,...
ny internet:sobika.com,madagate.com.....
Nihezaka nahely daholo fa tena gravy be eto amin ny tanana,tsisy fika intsony ravalomanana ary efa handresy ny tgv,betsaka e....
Teo moa ny manaratsy andravalomanana tsotra izao,teo ny psychopathe tsotra izao toy ny madagate.com
Aiza nareo izao?.dia mbola ho sahy hitsangana ve ianareo hiteny hoe filohampirenena ravalomanana?tsy menatra....
Ny karazan olona toa anareo mihintsy no tena fahavalom pirenena,sy mpanararaotra
ireo mpanohatra moa dia hita fa tsy fitiavana tsotra izao.Ny an i tgv sy alain ramaroson, nadine ramaroson moa dia fialonana tsotra izao
Ary ho an ny radio don bosco manokana,afabaraka aho hoe katolikakay ve ny monseigneur oddon nivolala ka tena nino fa i tgv no filamatra izao ka dia nandeha nirona tany amin ny misy azy tany?tsy tsapanao ve ny soa afafy aminao ka hitady ny mana avy any andanitra izay tsy fantatra hoe inona?
mahamenatra................
ho fehiny dia nandresy ny vahoka hendry,manana faharetana,nandresy ravalomanana satria efa izy no mendrika hitondra an i madagasikara
Masina tokoa ny firenena