26 Janoary, 2009 16:16
Singam-bolo nandavo ny vositra
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Politika ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Nafohezina ny dia nataon'ny Filoha Ravalomanana tany Afrika Atsimo ka tonga teto an-tanindrazana izy ny Alahady 25 Janoary 2009 tamin'ny 4 ora tany. Vahoaka maro no nitsena azy teny Ivato. Nandrasan'ny rehetra ny ho valin-kafatra ho an'Ingahy Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina nangataka ny hialan'ny governemanta Rabemananjara.
Hoy Ingahy Ravalomanana:"Mahatezitra ahy ary tsy andeferako mihitsy ny fanitsakitsahana ny lalam-panorenana, izay niaianako tamin'ny vahoaka sy Andriamanitra, ataon'ny Andry Rajoelina" raha fintinina. Nanome baiko ny Praiminisitra izy hanandray ny andraikiny.
Namaly avy hatrany ny Ben'ny Tanàna raha vita ny valan-dresaka nataony ka nilaza fa "mbola minia manampin-tsofina ny Filoha ka tsy miova ny fotoana eny amin'ny kianjan'ny 13 Mey".
Ny alin'io Alahady 25 Janoary io tokony tamin'ny 3 ora maraina tany dia niakatra teny Ambohimitsimbina (misy ny emetteur ny Radio Viva) ireo commando Afrikana Tatsimo netin'ny Filoha, nandrava ny andrimasom-pokonolona sy nanongotra ka namotika ny emetteur.
Anio Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia tonga maro teo amin'ny "Kianjan'ny 13 Mey" Analakely notarihin'ny Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina ireo mpankasitraka azy sy ny mpihainohaino rehetra. Hoy izy:"Miala eto isika izao dia mandeha eny amin'ny lapan'ny Fitsarana hamoaka ireo mpianatra nosamborina, avy eo mankeny Digue mampitsahatra ny asa eny satria tsy nahazoana alalana avy amin'ny Ben'ny Tanàna io".
Roso ny dia fa indrisy nampalahelo ny zava-niseho:
May ny RNM sy TVM. May ny MBS. May ny MAGRO rehetra.May ny tranon'i Mox Ramandimbilahatra.Maty ny roa tamin'ireo mpanaraka ny Andry Rajoelina....
Miverina ve ny tantara tamin'ny 2002 araka ny voalazan'ny Gazety iray sa ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ? Araho ny tantara!





26/01/2009, 16:42
Andry manao lohamboto ! Zaza tsy mahalala fangirifiriana ka ny malagasy no atao sorona amin'ny heviny, ireo adala be koa manaraka ny adalany ! Tadidio ry malagasy fa mpanana i Andry ka misy andrahoina foana ny vilaniny na dia anaty fahoriana ary, fa isika izay manaraka azy no hihinan'ny fatiny !!!! adin'izy sy Ra8 io tsy tokony idirantsika. Tolona hafa ny azy fa tsy tolona hanavotra vahoaka, jereo tsara !
26/01/2009, 16:48
Marina tokoa fa leo ny vahoaka, nefa tsy tokony hanimba zavatra; tohizo ny tolona fa aza dia simbana ny fananam-bahoaka.
26/01/2009, 16:54
dia nisy nahafoy ny ainy mihitsy satria voasakatsakana ny tombotsoan'i Andry an!mampalahelo! inona moa ny naham-pinamana azy sy Elia raha tsy samy mieritreritra fa victime-n'ity fitondrana ity @ affaire-ny manokana dia any @ politika no mieritreritra hanao vengeance fa ilay gasy kely dia mora taritina gauche droite dia izao matimaty foana , ny fisokafan'i viva angaha hampiverina ny aina sa hahavoky fa dia responsable voalohany à izao aloha i Andry
26/01/2009, 18:04
sary ratsiraka fahavalo pirenena ve no nifamotehana mba mmieritrereta ry gasy a EEEEEH aleo isika ho gisitra eto atany eto foana fa aza manatena
26/01/2009, 21:41
d gaga rangah ny tenanay!! ry ratsiraka tokoa V no nahatonga zao? ny tsy fitiavana mahita an'le jamba?? hahaha.
fihetseham-bahoka, leon'ny votsindry ireny. mahasosotra ny mahita ny fahasimbana, mampalaelo ny mahita ny aina nafoy. fa ho an'ny sasany, na tsy hihinana aza ny zanany, tsy mampaninona azy ny fahazoan'ny filoha (tiko air) ny FORCE ONE. mety V izany?
tadidio, fa ny vahoka rehefa leo, dia rehefa sahy ny mpitarika, mandé oazy ny fihetsehana.
tadido, fa isika malagasy, refa mahita rà latsaka, d mijanona @zay.
tonga saina ny mpitondra izao, raha araka ny fanambarana nataon'ny premier ministre, d efa miresaka izao ny RAD 2 tonta. lasa RAD izany ilay jiolahim-boto omaly, ilay zazakely tsy mbola vory elatra omaly.
izay V zany no nandrasana, ny hisian'ny faty olona, zavatra simba. ????? diniho é. aza d manaiky foana na d efa votsindry mipotra aza ny lela!!!!!! mbo kozy é.
27/01/2009, 14:31
Heveriko fa zah irery no diso fijery fa dia hambom-pon'olon-tokana no anton'izao rehetra izao ...
Ahoana koa ny hataoko fa ilay sefonay izao milaza ho sarotiny mafy @ fandaniana ato? Hotaritiko daholo ve ny mpiasa rehetra ato hatramin'ny coursier sy ny mpamafa trano handoro ity fiasana iray manontolo ity dia amizay tsisy miasa intsony ato, samy miala zanako?
Fa na ahoana na ahoana, pitsiro ny voamasoko roa raha ho lasa président Andry TGV, hambom-po diso toerana no mampiaka-pofona anao ramose, ary ny intérêts kelinao no mampisavoaravoara anao hi-paniquer-nao ny gasy iray vohitra. Aleo ihany tambanivohitra mivoatra miandalana toy izay civilisé ny hatreo @ tendron-korona ihany no hitany!