24 Janoary, 2009 17:17
"Miala ny governemanta" hoy Rajoelina
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Politika ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mazava ny tenin'ny Ben'ny Tanàna Antananarivo Renivohitra Andry Rajoelina tetsy amin'ny Kianjan'ny Demokrasia (Ambohijatovo) sy teo amin'ny Kiajan'ny 13 Mey (Analakely) androany Sabotsy 24 Janoary 2009:"Miala ny governemanta Rabemananjara".
Nanohy ny teniny ny "Zandrikely":"Vonona hitantana ny tetezamita ny tenako Andry Rajoelina". "Rehefa isika no mitantana dia hamidy avy hatrany ny fiaramanidina "Air Force One II". "Manomboka amin'ny Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia mifamontoana eto amin'ny "Kianjan'ny 13 Mey" amin'izay isika mandram-pialan'ny governemanta". Hoby, tehaka, sioka, horakoraka tsy ifandrenesana no nanakoako. "Sao hisy hilaza indray amin'ny gazety rahampitso fa manongam-panjakana i Andry Rajoelina: tsia tsy manongam-panjakana isika fa ny vahoaka no nametraka ny mpitondra dia izy ihany no manala"."Tokony hahay haka lesona ny mpitondra".
Maro ny zava-boalaza androany fa nasongadiko ireo teny ireo.
Omeko anareo ny sary nalaiko tamin'izany "andro iray manan-tantara" izany mba ho aingon'izao lahatsoratro izao.
Fanamarihana:
- Jereo ity lahatsoratra ity "Cohabitations". Raha ny Ben'ny Tanàna sy ny Filoha no voaresako, hay ilay ohatra noraisiko no ho tanteraka (Président sy Premier Ministre) ??
- Sary nalain'ny tebokaefatra

































24/01/2009, 17:35
i jentilisa no hampiditra ny sary fa tsy misy fampihenana ny habeny ato! hihihi!
24/01/2009, 18:29
nahenanao kosa ilay izy rajentlisa a! lol
24/01/2009, 18:43
Navesatra loatra indray dia tsy zaka
24/01/2009, 18:51
ok
Miandry izany e! ataovy ao @ flickr ary ho jerena marina e
24/01/2009, 20:43
miandry sary tokoa izahay fa dia tena kivy na izany aza. amiko na iza na iza milaza hampisondrotra ny firenetsika dia toa ny hanondrotra ny ao ampaosiny no ho ataony.
25/01/2009, 01:42
gadrao am zay fa ela loatra e
25/01/2009, 01:42
gadrao am zay fa ela loatra e
27/01/2009, 14:17
Mipetraka tsara eto aho mandinika dia hoy aho hoe Hambom-pon'olon-tokana izany no animbana firenena toy izao? Fa tsy misy lalàna na didy azo ampiharina analana an-dRavalo eo angaha raha mahalikiliky ny mijery azy en personne eo? Toa lasa tradition ity manao grève générale, mandoro sy mamono olona isaky ny hanala olona ity, asehoy aloha ny fahaizana demokrasia vao mitaky demokrasia e!