08 Janoary, 2009 16:25
Ultimatum sa avertissement ?
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Politika ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Inona no hiseho eto amintsika "rahampitso" ?. Hamaly angamba ianareo hoe ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eny Iavoloha (Fanjakana) sy etsy amin'ny kianja mitafo Mahamasina (CUA)! Tsy dia izay hiseho rahampitso Zoma 9 Janoary 2009 loatra no ao antsaiko raha manontany aho fa ny ho avy.
Izao mantsy no zava-misy ankehitriny ary mampanahy:
Ny zanaka (CUA) mametraka "ultimatum" ny Ray aman-dreny (Fanjakana).
Ravalomanana mandrangaranga "avertissement" an'i Andry Rajoelina.
Ny zanaka manao "ialahy" ny ray. Ny ray mandaka "fitombenana" ny zanaka.
Ny zanaka tsy te-hahalala ny rafitra an-tanantohatra ka sahy mitory ny ray amin'ny fitsarana.
Ny zanaka te-hivavaka amin'ny toerana izay tiany (Ambohijatovo) nefa tsy avelan'ny ray raha tsy ao an-trano (Kianja Mitafo Mahamasina).
Azonareo tohizana io...
Tsoan-kevitro:
Ho ahy dia samy fiteny halako na ny "Ultimatum" na ny "avertissement" satria manafina toe-tsaina mihambo sy lehibe tsy mahay milefitra. Mila ny fifampiresahan'ny roa tonta ny mponina eto Iarivo. Mila ny roa tonta mahay mifandefitra ny vahoaka eto Antananarivo.Dia ho tànana mandroso, maha te-honina, madio Antananarivontsika satria miara-miasa ny roa tonta.





08/01/2009, 17:27
ilay ultimatum tokony hovaina hoe fangatahana...
tonga dia miantsy ady manko ilay izy...
ilay avertissement indray tokony hovaina hoe filazana mialoha (fa hisy filazana manjo)
otran'ny tsy mazava tsara manko ny azo atao sy tsy azo atao. Sady izay koa otran'ny hoe matahotra an'le ultimatum...
09/01/2009, 11:58
Mba manadala olona kosa aloha ry Andry TGV E. aiza ve kay nipoitra tao andamosiny tao daholo ny trozona sy bibiango rehetra; zaho tsy pour RAVALO fa ra ireo kosa aleoko mionona aminy e;isika ndray no tadiavin'i ANDRY TGV ATAO SORONA zany hoe refa natao tohatra hifidy azy teo dia atao tohatra ho vonoina indray ,no no no
efa tonha saina ny gasy lesy ry Andry e
10/01/2009, 10:45
zah zan refa nieritrerita de zao mpetsaravelatsihy daolo na ny cua na ny fanjakana samy mlaza ho kristiana nefa lainga io tena marina de zao sam mpivavak fotsin iany fa tsy ao mintsi le mah kristiana ny mpivavaka mants de le olona miady tsy mfandefitra ar le piditra am-pengonana isaky ny lahady fa ny kristiana de ny mifanohitra @ iza fa mahay manetry tena mifankatia ary tsy misy fisarahana zay raha tsorina tsotsotra
11/01/2009, 12:00
ra ny hevitro alo dia ho, sarotra ny mety ho avin'i gasikara satry,mitovy hatrany ny fomban'ny teo aloha sy ny vaovao eo @ fitondrana
Mrina fa nitady fiovana sika,nefa ny zavatra misy dia mihamahantra sika,ny sasany anefa miha-mitomba hatrany ny fananany.Tsara ny mahita ny gasy tafita ,nefa koksa mba tokony samy mba mihinana rahefa mihinana,fa tsy mihinandrery akory.Tsy hoe leo ny mitokona akory ny gasy fa matahotra ankehitriny satry tsisy intsony ny fahafahan'ny tsirairay milaza ny heviny,na olon-tsotra io na mpanao ppolitika.Matahotra ny hiakatra fitsarana avokoa ra vao miteny.Marina fa lafo ny fiainana,ny ho anina anio manahirana ny mitady azy,ka izay no atao fandresen-dahatra sy masaka ao an-tsain'ny olona ,tsy ahafahany mitady ny tena mety ahatsara ny fiainanany.Ho potika indray ve ny tanana......Ra tsy misy ny fonoerana,sy ny fitakina ny zavatra tena manahirana,tsy ho fantatry ny mpitondra mihintsy ny zzavatra manahirana ny vahoka akory.Ohatra teneniko,ny probleme any France ohatra:mitokona ny mpiasa,ny mpianatra,ny fikambanana,ny mpitsara satry misy zavatra tsy mety hitany,ary mitaky ,sy maneho ny heviny izireo.Malalaka ny olona @ resaka demokrasia,liberté de parole....Tsy maintsy mitady solution ny mpitondra.Zay no tsy ampy any amintsika ka mahatonga ahjy hilaza fa matohotra ny hiakatra any @ fitsarana ny olona ra vao miteny.Ra resaka fifampiresahana,efa t@ taona 1972 no nanomboka izany,fa tsy nisy mihintsy ny solution,fa za no mitondra dia ahy ny lalana sy ny fahefana,izany fona no zavatra misy any.Za manokana alo dia manohana ny ben'ny tanana an'Antananarivo satry hitako fa sahy izy,tsy oe misy mpanohatra ao aorinana akory fa hitako fa sahy izy,ny hampiseho fa tokony hanana ny libértény izy
Mankasitraka antsika rehetra e!ary mirarary ny ahatsara ny fiainantsika e!
11/01/2009, 23:33
ty tay g ve ty mitsy no tsy mahay miaina e
11/01/2009, 23:39
tsy efa hitanareo ve ny fikany dia mbola makany ihany nareo?
12/01/2009, 19:42
miarahaba antsika mpamaky!
'za manokana dia mametraka foana ilay hoe "liberté d'expression". Izany hoe n'iza n'iza dia tokony afaka haneo hevitra na amin'ny fotoana inona , na aiza na aiza . Ny tiako ambara dia izao, na iza na iza mpitondra eo rehefa misy olona te haneo hevitra dia tokony omena fahalalahana fa raha tsy izay dia toy izao foana no iainana eto . Ary izay dia mila fanovana toe-tsaina koa ho an'ny mpaneo hevitra fa tsy hoe omena fahalalahana dia hiteniteny foana!
13/01/2009, 17:20
marina ny voalazanaoRanoBe,ra manana ny fahafahana hiteny ianao ,tsy hiteniteny fona akory,miombon-kevitra aminao aho
Ra resaka fanovana toe-tsaina kosa indray,efa taona maro ranga zay no efa nahen,ona fa tokony hanova toe-tsaina sika gasy,nefa hatramin'izao mbola tsy niova mihintsy a!
Be ny zavatra mety hanova izany toe-tsaina izazny,ohatra ny fari-piainan'ny olona ,ny fahalalahana eo @ zavatra atao,ny tena fisian'ny demokrasia eto amintsika.Fa ra mbola misy hatrany ny fanateriterena,sy ny fampitahorana ra vao hanao zavatra,tsy hisy ary sarotra mihintsy ny anantena izany fiovana taoe-tsaina izany.Ny zavatra haingana indrindra ra ny hevitro dia ny fiovan'ny fomba fitondrana ny fahefana,tsy tokony hipetraka intsony ny oe:za no eto ka za no mandidy sy manapaka,mba jereo kely ny zavatra nisy t@ andron'i Colonel Ratsimandrava,ny toe-tsain'ny olona tsara lavitra no izao @ fotona izao satry t@ izany nisy ny fitsinjovana ny olona ,ary ny fijezrena izzay mety ahahtsara ny fiainanny
Amin'izao fotona izao nefa dia ny mifanohitra @ izay no zava-misy,ka aoka isika tsy hilaza fa mande tsara ny fiainana @ izao fotona izao