03 Janoary, 2009 16:22
Affaire Daewoo Logistics
Nampidirin'i tebokaefatra, Sokajy [ Politika ][ (7) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Miarahaba antsika rehetra namana nahatratra indray ity taona 2009 ity. Homba antsika tsirairay tokoa Andriamanitra Ray.
Vao miandoha ny taona dia ny zava niseho tany Paris ny 1 Janoary 2009 no nisarika ny saiko. Inona marina no niseho tany ? Fanontaniana apetrako aminareo namana monina any izany mba ho loharanom-baovao maro no ho renay aty Dago.
Inona ilay vaovao:
Nanomboka ny zoma 2 jaonary 2009 hariva dia niely tamin’ireo tranonkala samihafa ny fivorian’ireo “diaspora” malagasy tao Paris any Frantsa fa “hitory ny Fanjakana malagasy amin’ny fanomezana ilay tany manana velarana 1,3 tapitrisa hekitara any amin’iny ilany atsinanan’i Madagasikara iny nomena ny Koreana Tatsimo izy ireo”. Io ilay "affaire Daewoo Logistics" efa nasian'i Jentilisa safosafon-dresaka teto ihany.






03/01/2009, 19:25
ilay sary r'ise ohatran'ny nalaina t@ andro mafana satria manao lobaka fohy tànana ilay ranamana etsy ankavia kanefa ny andro tena mangatsiaka be aty Parisy izao 0° any ho any
raha tsy hoe nafindra any Antananarivo angaha ilay Tour Eiffel mijoalajoala ao ambadika io :-)))
dia tratry ny taona aloha na dia izany aza e
04/01/2009, 00:51
marina zany rajiosy an mihevitra anay ho nandra ngah i tebokaefatra? sa izy irery ihany no manana maso hijery? intox io rangahy ity ah, eo dia mitady hanakorontana be fahantany eo,tsy menatra.... ra8 marina ve no tsy tianareo sa ny fampandrosoana an i madagasikara mihintsy no sakanana?satria manko raha malahelo nareo,nahoana no tsy miteny sy tsy re feo mihintsy mikasika ny 35.000 logements tamin ny androndratsiraka?mbola mitohy hatrany io projet io eny ambatobe amin izao fotoana izao,ny trano sy tanin olona manjary lasan ny sinoa, tafidina hatraty nanisana izy io hatramin izao koa maninona no tsy miteny sa hoe efa tamin ny androndratsiraka ireny? averiko eto ihany fa mbola mitohy io projet io amin izao fotoana izao,nahoana no minia tsy miteny izany diaspora izany?sa an i dada io ka aleo tsy kitihana fa ndrao bedy eo?
04/01/2009, 15:41
>>>>Rajiosy:sary tsy nalaina tamin'ny 1 Janoary 2009 izany ity sary navoaka ho anay aty Dago ity satria tsy zaka ny hatsiaka any aminareo izao. Misaotra anao aloha nanamarina izay.
>>>>Zefa:tsy mamaly ny fanontaniako mihitsy ianao fa ny "likilikim-po" nao t@ fitondrana teo aloha indray no avalinao ahy.Azonao atao resaka iarahan'ny rehetra mamosaka hevitra tokoa anie io "affaire 35.000 logements" lazainao io eee hihihi
04/01/2009, 17:52
Indrisy ry mal gachis tsy misy fantatrareo hafa tsy ny manao valalan-karona, teo aloha dia noenjehina ny Frantsay fa hoe nitsetsitra an-dra mal gachis d natao ny OPK satria hoe ireo no mpitsetsitra d izao indray enjehina ny Sinoa sy ny Koreen, ny marina anefa d Ra mal gachis ory hava-manana ka ny atao rehefa tonga eo amin'ny fitondrana d mivarotra tanidrazana amin'ny vahiny d amin'izay mihinana ny ... ny vahoaka entina.Ny marina anefa d raha atao hoe vantana ny firenena d ny mpitondra no loha d ny loha no misy ny vava, ny orina, ny sofina ary ny maso noho izanyi rehefa mihinana ny... zany ilay vahoaka atao hoe kibo d ny mpitondra no nihoroka ny mpitondra no nandre ny tsirony izany hoe ny mpitondra no nanaiky nihinana ny... voalohany an, ka hoy aho hoe aza manaiky ho mal gachis fa mba malagasy tsara é! aza ny vahiny no omenantsiny fa mahaiza misafidy fa raha mbola olona manampina orina sy manao telomoka ary minia mikipy no mitondra an'i Madagasitsara io d tsy hisy fihatsarana io amiko bonnet blanc d blanc bonnet tsy misy mahasamihafa ny kary sy ny jaboady.
04/01/2009, 18:06
dias >> tsy manely hevitra i teboka4 fa te haka toky fotsiny e :).
Tsy momba na manohitra ilay "hetsika" aho fa te anamafy ny voalazan'i Rajiosy fotsiny.
Satria tsy nisy masoandro be toy io taty Paris tamin'ny 1jan.
Manarak'izany, rehefa misy ny zavata toy itony, aoka tsy ato faobe hoe "ny diaspora malagasy aty paris". Tokony atao hoe : nisy malagasy miisa ... eo ho eo tao Paris nanao hetsika toy izao.
Farany, aoka tsy adinontsika fa eto paris no misy ny foiben'ny tsy maty voalavo an-kibo @ fitondrana ankehitriny. Izany akory tsy midika hoe "tsy maty voalavo an-kibo daholo ny diaspora eto paris" :)
05/01/2009, 11:56
Na inn aloha holazaina na inn d nisy io hetsika io ny fotoana tsy misy olana fa ny olana d ireto ianareo tena mal gachis ny sasany miaro ny tsy maty voalavo an-kibo ny sasany indray manohana ny voalavo mandrava an'ilay Madagasitsara nefa moa ny azoko lazaina angamba d iretsy voalohany ilay tsy maty voalavo an-kibo d iretsy ankilany ry voalavo mpanimba an'ilay Madagasikara fa ianareo rehetra ireo d ilay atao hoe mal gachis ory hava-manana tsy afaka miatrika vahiny fa manenjika ny resy, mpanao béni-oui-oui, mpivarotra tanindrazana manao an'Andriamanitra tsy misy misia aminareo ireo sahy milaza fa tsy hivaly amin'ny taranakareo izay ataonareo mba ataovy re tany ren-danitra d hohita eo ny tohiny fa mafy anie izany hoe amam-polontaonany maro nitondra sy nanimba an'ilay Madagasitsara kanefa na ny mandevina ny mpiray tampo aminy aza tsy azony natao ireo moa angamba ilay tsy maty voalavo an-kibo fa ireto VOALavo nandimby koa d bonnet blanc blanc bonnet aza atao fohy ny fitadidy ry Malagasy fa tany masina io Madagasikara io ka izay mivadika aminy d tsy maintsy ho kely hila.Mitohy ny tantara tsy Ménaces Arrestations Prisons na DGID no mahava ny olana fa ilay Malagasy tsara tena manompo marina an'Andriamanitra toa ilay zanany lahy tokana izay tsy mba nividy MIG na nanao izay nahatonga azy ho milliardaire satria efa voalaza fa ho moramora amin'ny rameva ny miditra amin'ny vodifanjaitra fa ho sarotra hoa ny mpanankarena ny fidirana amin'ny fanjakan'ny lanitra ary tandremo zalahy fa tany hanototra io Madagasitsara.
06/01/2009, 10:51
Neny>>>Tena iombonako hevitra aminao mihitsy ity filazana faobe hoe "ny diaspora malagasy aty paris" ity.Tetikady angaha no ilazako io fomba fiteny io satria samy te hahazo ny maro an'isa manaraka azy avokoa ny tsirairay. Ohatra: 63% no nifidy ahy Andry Rajoelina ka aoka hitandrina ny Fitondrana.99% ny solombavambahoaka TIM ka aoka hanaja ny hevitry ny maro an'isa ny sisa.... nefa ny tsy fantany dia ity "miova isan'andro ny hevitry ny olona" fa tsy mitoetra ho mandrakizay.
Fa raha maty voalavo an-kibo daholo kosa aloha ny "diaspora" dia ilay fahafahafa sy fahalalahana, tiana halain-tahaka misy ao Paris mihitsy, no efa maty tanteraka eeee hihihihi.