Inona no hiseho eo amin’ny « Kianjan’ny Demokrasia » Ambohijatovo rahampitso Asabotsy 17 Janoary 2009, amin’ny fotoana hanokanana izany kianja izany ?. Ho tonga maro hanohina ny antson’ny Ben’ny Tanàna Andry Rajoelina ve ny olona ? Hirongo fitaovam-piadiana hanakana izany ve ny mpitandro filaminana ? Iza no ho voasambotra sy higadra ? Hisy maty sy maratra ve ? Hizotra araka izay nieritreretan’ny Ben’ny Tanàna azy ve ka hody am-pilaminana ny rehetra ?…..Eo anoloan’izany fanontaniana tsy ahitam-baliny mazava izany dia aleo ny fotoana ho avy no hamaly azy.
Ny zava-misy eo amin’ny Ravalomanana sy Rajoelina izao dia mampahatsiahy ahy ny zava-nisy teo amin’ny Francois Mitterrand (Parti Socialiste) sy Jacques Chirac (RPR), teo amin’ny Jacques Chirac sy Lionel Jospin (Parti Socialiste), teo amin’ny Didier Ratsiraka (Arema) sy Marc Ravalomanana (Tiako Iarivo)…
Inona no tiako holazaina: olona tsy iray antoko ireo fa samy nanana ny azy, sy samy nanana ny andraikiny nefa noteren’ny vahoaka (fifidianana) hiara-hiasa. Io ilay antsoina hoe “cohabitations”. Ny « cohabitations » tsy midika hoe foana ny maha izy azy ny tsirairay fa rehefa tombotsoa iombonana kosa dia iraisana sy mifanome tànana, alevina ny fifandirana sy tsy fitovian-kevitra. Mila fahaizana « diplomatie » io.
Samy Frantsay ary samy Malagasy ireo ohatra noraisiko teo ambony ireo ka mahaiza miara-monina sy miara-miasa ary maka tahaka ry Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.