Niteny ny Filoha Malagasy Atoa Ravalomanana Marc fa ny "faits divers hita amin'ny gazety malagasy no mampatahotra ireo mpampiasa vola ka tsy ahatongavany eto Madagasikara".
Dia lasa ny saiko.
Hiverina ve zany ny sivana satria toa milofo mafy hampiditra ireo mpampiasa vola vahiny eto Madagasikara izao fitondrana izao nefa izy tenany no milaza ankehitriny fa tsy mety tonga izy ireo? Rehefa tapina ve ny vavan'ny gazety Malagasy dia izay no mety ahatongavany?
Dia ho sanatria koa ve ka ny feon'ny RNM sy TVM ary ny BMS irery no hany henon'ny Malagasy an-tapitrisany. Sanatria anie izany!
Zo fototra arovan'ny lalampanorenana ny fahafahana sy fahalalahana ka aleo ny gazety haneho ny heviny. Ampiharo ny làlana raha misy mihoa-pefy fa aza ny hafa no anilihana ny tsy fahaiza-manao. Sady ianareo rahateo no mitondra hoy ny Filoha!
Izahay mpamaky koa mila hevitra maro azo isafidianana fa efa nilaozan'ny toetr'andro ny "feo tokana".
Tsotra ny hevitro. Miala rehefa tsy mahavita azy.
Masiaka kely izao fa toa mitady ho voatohitohina ny "aferoko", dia ny fahafahako sy ny fahalalahako!