Mazava ny tenin'ny Ben'ny Tanàna Antananarivo Renivohitra Andry Rajoelina tetsy amin'ny Kianjan'ny Demokrasia (Ambohijatovo) sy teo amin'ny Kiajan'ny 13 Mey (Analakely) androany Sabotsy 24 Janoary 2009:"Miala ny governemanta Rabemananjara".

Nanohy ny teniny ny "Zandrikely":"Vonona hitantana ny tetezamita ny tenako Andry Rajoelina". "Rehefa isika no mitantana dia hamidy avy hatrany ny fiaramanidina "Air Force One II".  "Manomboka amin'ny Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia mifamontoana eto amin'ny "Kianjan'ny 13 Mey" amin'izay isika mandram-pialan'ny governemanta". Hoby, tehaka, sioka, horakoraka tsy ifandrenesana no nanakoako. "Sao hisy hilaza indray amin'ny gazety rahampitso fa manongam-panjakana i Andry Rajoelina: tsia tsy manongam-panjakana isika fa ny vahoaka no nametraka ny mpitondra dia izy ihany no manala"."Tokony hahay haka lesona ny mpitondra".

Maro ny zava-boalaza androany fa nasongadiko ireo teny ireo.
Omeko anareo ny sary nalaiko tamin'izany "andro iray manan-tantara" izany mba ho aingon'izao lahatsoratro izao.

Fanamarihana:

- Jereo ity lahatsoratra ity "Cohabitations". Raha ny Ben'ny Tanàna sy ny Filoha no voaresako, hay ilay ohatra noraisiko no ho tanteraka (Président sy Premier Ministre) ??

- Sary nalain'ny tebokaefatra